- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Niakatra fitsarana ilay Alzeriana bilaogera

Sokajy: Alzeria, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

(Marihina fa tamin'ny volana Jona 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Ny 11 Jona 2007, no fotoana voalohany niakaran'ilay bilaogera Alzeriana fitsarana [1] noho ny lahatsoratra navoaka tao amin'ny bilaoginy manokana. Notorian'ny Talen'ny Raharaha Ara-pivavahana tao amin'ny Tlemcen [2], izay niampanga azy ho namoaka lahatsoratra fanalam-baraka tao amin'ny bilaoginy manokana tamin'ny 20 Febroary 2007, tamin'ny lohateny hoe “ Niseho tao Tlemcen i Al Sistani [3] ” i Abdulsalam Baroudi.

Manohana an'i Abdulsalam Baroudi ny fikambanan'ny mpanao gazety ao Tlemcen [1] ary miantso ireo mpanao gazety sy mpanangom-baovao mba hiara-hiady amin'ny raharahany sy hitolona ho fiarovana ireo mpanao gazety sy bilaogera Alzeriana .