Tokony avotsotr'i Ejipta mialoha ny fifidianana ho vaomieran'ny Firenena Mikambana momba ny Zon'olombelona ireo bilaogera

(Marihina fa tamin'ny volana May 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Tokony hanafaka ireo bilaogera nogadraina i Ejipta alohan'ny fifidianana Filankevitry ny Firenena Mikambana momba ny Zon'Olombelona , hoy ny Mpanara-maso ao amin'ny Firenena Mikambana, fikambanana iray miaro ny zon'olombelona ao Geneva tao anatin'ny fanambarana iray izay navoakany. Ankoatra ireo fepetra hafa, ny Mpanara-maso ao amin'ny Firenena Mikambana dia mitaky “ny famotsoran'i Egypta an'i Huwaida Taha Mitwalli mpanao gazety, izay tany am-pigadrana noho ny fiezahany nitatitra momba ny fampiasan'ny governemanta fampijaliana, ary ihany koa ireo bilaogera anisan'izany i Abd al-Monim Mahmud sy Abd al-Karim Nabil Sulaiman (fantatra amin'ny anarana hoe Karim Amer), izay nogadraina noho ny fampiharan'izy ireo ny zo iraisam-pirenena voaaro amin'ny fahalalaham-pitenenana.”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.