- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Torolalana mibilaogy miafin'anarana amin'ny WordPress sy Tor amin'ny teny Italiana

Sokajy: Hafanam-po, Mediam-bahoaka, Solovava, Torolalana, GV Mpisolovava

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Oktobra 2009, tetikasa taloha)

guide_it-header.jpg

Ny mibilaogy miafina anarana amin'ny WordPress sy Tor dia efa misy amin'ny teny Italiana [1] noho ny fandikan-teny nataon'i Jan Reister [2] ao amin'ny bilaogy Nazione Indiana [3].

Ny torolalana dia mamaritra fomba maro amin'ny fiarovana ny mari-panondroana mba hisorohana amin'ny alalan'ny teknika maro ny valifaty ary mety hampihena betsaka ny loza mety hihatra mifandraika amin'ny zavatra nosoratany an-tserasera .

Ny Scrivere un blog anonimo con WordPress e Tor dia azo trohana amin'ny endrika PDF.  [1]Mety mila mametraka ny Adobe Acr [4]obat Reader [4] maimaim-poana ianao raha hijery izany. Raha sendra fahasarotana ianao amin'ny fijerena ny endrika PDF ao anaty aterineto, andramo ity endrika HTML  [5]mampifandray sy mora amin'ny bilaogy ity.

Trohy  [1]azafady ny torolàlana ary ampio izahay hanaparitaka ity fampahalalana manan-danja ity. Aza misalasala koa manampy anay handika ny torolàlana amin'ny fiteninao.

Efa misy amin'ireto teny manaraka ireto ihany koa ny toro-lalana:

Raha mila fanazavana fanampiny dia mifandraisa aminay ao amin'ny advocacy [ at ] globalvoicesonline [ dot ] org