- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nakaton'i Libya ny fidirana amin'ny Youtube sy ireo tranonkala tsy miankina

Sokajy: Libia, Mediam-bahoaka, Solovava, GV Mpisolovava

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Febroary 2010)
unblock-youtube-libya.jpg

Ny 24 Janoary 2010, nakaton [1]‘ny Fifandraisan-davitra sy ny Teknolojia ao Libya (Libya Telecom and Technology) (LTT) [2] ny fidirana amin'ny tranonkala malaza fizarana lahatsary Youtube sy ireo tranonkala tsy miankina sy ara-politika an'ireo Libiana maro mipetraka any ivelany, tahaka ny Libya Al Youm [3], Al Manara [4], Jeel Libya [5], Akhbar Libya [6], sy Libya Al Mostakbal [7].

Ary raha mbola tsy nanamarina ny fandraràna ny tolotrany ao Libya ny Google, dia nitatitra [8] ny gazety al-Manara [8] Lybiana, nanonona loharanom-baovao tao amin'ny LLT, fa tsy maharitra ny fandraràna ary natao mba “hanamaivana ny tsindry ao amin'ny tambajotra ataon'ireo mpiserasera ny tranonkala [Youtube] ao Libya “.

Na dia izany aza, araka ny filazan'ny Human Rights Watch,  [9]dia toa voasakana ny Youtube taorian'ny famoahana lahatsary Youtube ahitana ny fianakavian'ny mpitarika Libiana Muammar Gaddafi sy ny fihetsiketsehana tao Benghazi nataon'ny fianakavian'ireo gadra izay maty tao amin'ny fonjan'i Abu Salim tamin'ny taona 1996.

Nampanahy ireo bilaogera Libyana [10] ny hetsika, manahy izy ireo fa hihitatra ny fandraràna ka mety ho voakasika ny bilaogin'izy ireo manokana. Natsangana ny vondrona Facebook sasany, toy ny “Tianay hiverena ny YouTube any Libya”, mba hanoherana ny fandraràna sy hanome torolàlana amin'ny fomba fampiasana ny lohamilina proxy mba hialàna amin'izany.