- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Blog for a Cause! efa misy amin'ny teny Makedoniana.

Sokajy: Hafanam-po, Mediam-bahoaka, Solovava, Torolalana, GV Mpisolovava

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Marsa 2010, tetikasa taloha)

blogiraj_za_kauza.jpg [1]
Ny Blog for a Cause! [2], Tari-dalan'ny Global Voices ho an'ny Blog Advocacy (bilaogy momba ny fiarovana) [3], dia efa misy amin'ny teny Makedoniana [1] noho ny fandikan-teny [4] nataon'i Elena Ignatova [5] avy ao amin'ny Global Voices amin'ny teny Madedoniana [6].

Efa nadika tamin'ny teny espaniola, frantsay, sinoa ary arabo [7] ny Blog for a Cause!

Manasongadina toro-lalana mora arahana mikasika ny fomba fampiasana bilaogy ho toy ny ampahany amin'ny hetsika fanoherana ny tsy rariny ny toro-lalana ary manasongadina ohatra nahomby tamin'ny bilaogy mpisolovava manerana izao tontolo izao. Ahitana fizarana dimy izy io:

  1. Foaran'ny fanontaniana matetika mikasika ny atao hoe bilaogy fanandrata-teny
  2. Ireo singa dimy manan-danja indrindra amin'ny bilaogy fanandrata-teny nahomby
  3. Dingana 4 hananganana bilaogy fanandratateny
  4. Ny fomba ahatonga ny bilaoginao ho fiarahamonina mientana ahitana mpilatsaka an-tsitrapo mavitrika
  5. Toro-lalana hanampiana ireo mpikatroka bilaogy ho voaaro antserasera.

Блогирај за кауза! [1] dia azo trohana amin'ny PDF [1]. Mety mila mametraka ny Adobe Acrobat Reader  [8]maimaim-poana ianao raha hijery izany.

Trohy azafady ny Блогирај за кауза! [1] ary ampio izahay handika ny torolàlana amin'ny fiteninao.