Yemen: Sivana tamin'ireo tranonkalam-baovaon'ny mpanohitra roa

(Marihina fa tamin'ny volana May 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nanakana ny fidirana amin'ny tranonkalam-baovaon'ny mpanohitra miisa roa (www.al-shoura.net sy www.aleshteraki.net) ny Minisiteran'ny Fifandraisandavitra ao Yemen noho ny tatitra momba ny toe-draharahan'ny mahaolona sy ny ady ifanaovan'ny tafika sy mpikomy Shiita any amin'ny faritany avaratr'i Sa'ada. Araka ny voalazan'ireo mpiasan'ny fanampiana, nitarika ny “fahafatesan'ny sivily sy miaramila an-jatony sy famindrana toerana olona miisa 30.000 ka hatramin'ny 35.000” ny fifandonana.

Ny 26 May 2007, nanatri-maso ny fanombohan'ny loharanom-baovao maro voalohany mpisolelaka sy ny milina fikarohana ao Yemen izay, “afaka manaisotra ireo lohateny avy amin'ny tranokalam-baovao izay sakanan'ny manampahefana ” araka ny filazan'ny mpaneho hevitra, izahay.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.