- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ejipta: Ady misokatra ho an'ny bilaogera

Sokajy: Ejipta, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

(Marihina fa tamin'ny volana May 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nanomboka tany Ejipta ny ady amin'ireo bilaogera ary mitondra fizaran-tantara vaovao ny isa-maraina izany” hoy i Nora Younis tao amin'ny bilaoginy. Nanome rohy mankany amin'ny hafatra fanairana SMS/Twitter [1] izay nalefan'ilay bilaogera Amr Gharbeia [2] tany aminy i Nora: “Nampanantsoin'ny mpampanoa lalàna aho amin'ny alakamisy hoavy any amin'ny birao fanadihadiana any Kairo Avaratra“.