Youtube: Nosamborina ilay tovolahy Saodiana misoloky ho polisy manamboninahitra

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Marsa 2010)

Vaovao farany 1: Tamin'ny 22 martsa 2010, nitatitra ny Pinkpaper.com fa nogadraina nandritra ny herintaona, nandoa onitra 1 300 dolara  amerikana, ary novelesina karavasy in-1.000 noho ny famoahana lahatsary pelaka i Ahmad al-Faqih.

Araka ny filazan'ny Arab News, nosamborina tamin'ny volana janoary ilay lehilahy Saodiana 27 taona, Ahmad al-Faqih noho ny fanaovana sy famoahana lahatsary mampihomehy sy vetaveta tao amin'ny Youtube ka voampanga tamin'ny heloka ara-pitondran-tena. Misoloky ho polisy manamboninahitra ilay tovolahy ary mikaotikaoty olona tsy tazana amin'ny fakan-tsary:

https://youtube.com/watch?v=ZoPGSCbOu0g

The video depicts a young Saudi man dressed in a police uniform inside a vehicle flirting with the man holding the camera. He asks the cameraman for his driver’s license and offers “comfort.”

At one point, he waves around what appears to be a real handgun. Later in the approximately two-and-a-half-minute video on YouTube, he lifts up his shirt and rubs his chest. The video quickly spread online and through SMS until police detained both men involved in the act. Attempts have been made to block the video from being viewed in Saudi Arabia.

Mampiseho tovolahy Saodiana iray mitafy fanamiana mpitandro filaminana ao anaty fiara mikaotikaoty lehilahy mitazona ny fakantsary ny lahatsary. Mangataka ny taratasiny fahazoan-dalana mitondra fiara amin'ilay mpaka sary izy ary manome “fampiononana.”

Amin'ny fotoana iray, dia nikopakopaka tamin'ny toa basy tena izy. Taty aoriana tao anatin'ny lahatsary maharitra roa minitra sy sasany tao amin'ny YouTube, dia nanaisotra ny akanjony izy ary nanafosafo ny tratrany. Niparitaka haingana tao anaty aterineto sy tamin'ny alàlan'ny SMS ny lahatsary mandra-pitazonan'ny polisy azy roalahy nandray anjara tamin'ilay hetsika. Nisy fanandramana natao hanakanana ilay horonan-tsary mba tsy ho jerena ao Arabia Saodita.

Araka ny voalazan'ny Lietnà polisy Nawaf Bouq, izay niresaka tamin'ny Arab News, miatrika fiampangana telo ilay tovolahy: Ny voalohany dia noho ny fahapelahana; ny faharoa noho ny fiarovana ankapobeny; ary ny fahatelo dia noho ny fisolokiana ho polisy manamboninahitra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.