- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nesorina ny fandraràn'i Tonizia ny Facebook

Sokajy: Tonizia, Mediam-bahoaka, Solovava, GV Mpisolovava

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Septambra 2008)

Nesorina tao Tonizia nanomboka omaly 3 Septambra 2008 ny fandraràna [1]ny tranonkala tambajotra ara-tsosialy malaza Facebook [2] taorian'ny fihetsiketsehana goavana nataon'ny mpiserasera toniziana. Vondrona Facebook am-polony [3]nanohitra ny fandraràna no nirongatra nandritra ny herinandro vitsy noho ity olana ity. Saingy, araka ny filazan'ny gazety Al Chourouk, niditra an-tsehatra manokana [4] nandidy ny fanesorana ny fandraràna sy hamerenana ny fidirana ao amin'ny tranonkala ny filoha Ben Ali.