Nesorina ny fandraràn'i Tonizia ny Facebook

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Septambra 2008)

Nesorina tao Tonizia nanomboka omaly 3 Septambra 2008 ny fandraràna ny tranonkala tambajotra ara-tsosialy malaza Facebook taorian'ny fihetsiketsehana goavana nataon'ny mpiserasera toniziana. Vondrona Facebook am-polony nanohitra ny fandraràna no nirongatra nandritra ny herinandro vitsy noho ity olana ity. Saingy, araka ny filazan'ny gazety Al Chourouk, niditra an-tsehatra manokana nandidy ny fanesorana ny fandraràna sy hamerenana ny fidirana ao amin'ny tranonkala ny filoha Ben Ali.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.