- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tonizia: Nakatona ve ny Youtube?

Sokajy: Tonizia, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava
(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Septambra 2007)
Vaovao farany: Voamarina fa nakaton'ny mpamatsy aterineto rehetra Toniziana ny Youtube nanomboka tamin'ny 2 Novambra 2007.

Bilaogera Toniziana maromaro [1] no nitatitra [2] androany fa tsy afaka niditra tao amin'ny [3] tranonkala fizarana lahatsary Youtube [4]. Nandefa ity pikantsary ity taty aminay ny bilaogera Toniziana iray izay nanao fanarahan-dia avy ao tonizia mba hanamarina ny fanakatonana:

Youtube Tunisia

Raha marina izany, dia ny Youtube no tranonkala fizarana lahatsary faharoa nakatona tao Tonizia. Hatramin'ny 3 Septambra 2007, mbola nosakanan'i [5] Tonizia ny fidirana ao amin'ny Dailymotion [6].