Nakaton'i Kazakhstan ireo tranonkalan'ny mpanohitra

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana oktobra 2007)

Tamin'ny 18 Oktobra 2007, nakaton'i Kazakhstan ny fidirana amin'ny tranonkala mahaleotena maromaro mba hanakanana ny fampahalalam-baovaon'ny mpanohitra, anisan'izany ny kub.kz, geo.kz, zonakz.net ary ny inkar.info.

Ireo tranonkala rehetra ireo dia namoaka rohy misy ny tahiry am-peon'ny fifampiresahana an-tariby nataon'ireo manampahefana ambony tao Kazakhstan, izay azo jerena maimaim-poana ao amin'ny aterineto” hoy i Rachid Nougmanov, avy amin'ny International Freedom Network,tamin'ny mailaka

Araka ny voalazan'ny Reuters: “Ao amin'ny dikantsoratra, mampiasa fiteny mahery vaika ireo manampahefana rehefa miresaka momba ny vinantolahin'i Nazarbayev, Rakhat Akiyev, izay nanana olana tamin'ny mpitarika Kazakh tamin'ity taona (2007) ity ary monina an-tsesitany any Eoropa amin'izao fotoana izao.”

Ny 23 Oktobra, nampahafantarin'ny Foiben'ny Tambajotram-baovao Kazakhstan tamin'ny fomba ofisialy ny fanakatonana azy ny Kub.kz. Ity ny kopian'ny taratasy:

kub.kz suspended

Toa tsy ity no voalohany nanakatonana ny Kub.kz. Araka ny tatitra farany (PDF) avy amin'ny  Fikambanana ho amin'ny Filaminana sy ny Fiaraha-miasa ao Eoropa- “Fitantanana ny aterineto ao Kazakhstan“, nosoratan'i Rachid Nougmanov – izay manasongadina ny sary matromatroka momba ny toetoetry ny aterineto ao amin'ny firenena, “nakaton'i Kazakhtelecom sy Nursat nandritra ny telo taona mahery ny kub.kz, nanomboka tamin'ny Janoary 2002 ka hatramin'ny Aprily 2005. “

Ny raharahan'ireo tranonkala efatra dia manondro mivantana ny fanitsakitsahana ny zo ara-dalàmpanorenan'ny vahoaka,” hoy ireo tomponà tranonkala voakatona tamin'ny fanambarana niara-navoaka tamin'ny an'ireo mpikatroka ny zon'olombelona sy mpanao gazety an-tserasera nandritra ny valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety tao Almaty. “Mazava fa na iza na iza mandidy azy ireo mba hakatona dia tsy mieritreritra loatra hoe ara-dalàna ve ny zavatra ataon'izy ireo sa tsia. Azo inoana fa noteren'ny fiheverana ara-politika izy ireo.”

Tamin'ny Desambra 2005, naaton'ny Fiarahan'ny orinasan'ny Teknolojiam-baovao ny zo hampiasa ny anaran-tsehatra borat.kz azon'ilay Anglisy mpiantsehatra Sacha Baron Cohen, izay nanatontosa ny horonantsary mampiadihevitra  “Borat: Cultural Learnings of America for Make Benefit Glorious Nation of Kazakhstan” (Borat: Fianarana ara-kolontsaina an'i Amerika maka tombontsoa an'ilay firenena mamirapiratr'i Kazakhstan). “Nanao izao izahay mba tsy hitenenan-dratsy an'i Kazakhstan amin'ny anaran-tsehatra .kz,” hoy ny filohan'ny Fikambanana, Nurlan Isin. “Afaka mandeha sy manao izay tiany amin'ny anaran-tsehatra hafa izy.”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.