- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fiji: Mandrahona ny fiarovam-pirenena ny bilaogy

Sokajy: Fiji, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

(Marihina fa tamin'ny volana May 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Ny 14 May 2007, nitatitra ny Intelligentsiya [1] fa manana ny lisitr'ireo olona miisa 20 hosamborina noho ny fifandraisany amin'ny bilaogy tsy tia miaramila ny Komandin'ny Tafika An-tanety. Notaterina ihany koa fa nanery ny FINTEL, izay hany mpanome tolotra aterineto ao Fiji, ny Tafika Fiji (FMF) mba hanakana ny sehatra famahanana bilaogy blogspot.com [2], izay saika ampiasain'ireo “Fijian Freedom Bloggers [3]” manokana. Toa mihevitra ny fitondrana miaramila ao amin'ny Fiji fa “mandrahona ny fiarovam-pirenena [4]” ny bilaogy.

Ny Zoma 11 Mey 2007 dia voasambotra [5] ilay mpandraharaha malaza Ulai Taoi ary navotsotra 24 ora taorian'ny nitazomana azy tany am-ponja.  Niahiahy azy ho bilaogera tsy tia miaramila [6] ny FMF. Voalaza fa “niharan'ny herisetra ara-batana izy nandritra ny fitanana azy tany am-ponja [7] ” .