Fiji: Mandrahona ny fiarovam-pirenena ny bilaogy

(Marihina fa tamin'ny volana May 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Ny 14 May 2007, nitatitra ny Intelligentsiya fa manana ny lisitr'ireo olona miisa 20 hosamborina noho ny fifandraisany amin'ny bilaogy tsy tia miaramila ny Komandin'ny Tafika An-tanety. Notaterina ihany koa fa nanery ny FINTEL, izay hany mpanome tolotra aterineto ao Fiji, ny Tafika Fiji (FMF) mba hanakana ny sehatra famahanana bilaogy blogspot.com, izay saika ampiasain'ireo “Fijian Freedom Bloggers” manokana. Toa mihevitra ny fitondrana miaramila ao amin'ny Fiji fa “mandrahona ny fiarovam-pirenena” ny bilaogy.

Ny Zoma 11 Mey 2007 dia voasambotra ilay mpandraharaha malaza Ulai Taoi ary navotsotra 24 ora taorian'ny nitazomana azy tany am-ponja.  Niahiahy azy ho bilaogera tsy tia miaramila ny FMF. Voalaza fa “niharan'ny herisetra ara-batana izy nandritra ny fitanana azy tany am-ponja ” .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.