- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nitokona tsy nihinan-kanina ilay bilaogera voafonja, Abdel-Monem

Sokajy: Ejipta, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

(Marihina fa tamin'ny volana May 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nandrahona hanomboka fitokonana tsy hihinan-kanina ilay bilaogera voafonja, Abdel-Monem Mahmoud, sy ireo mpianatra miisa 23 hafa avy ao amin'ny Ivontoerana ho an'ny Injenieran'ny Fambolena nogadraina ny Talata 8 Mey 2007 ho fanoherana ny fepetra henjana amin'ny fitazonana azy ireo [1]. Araka ny fanambarana hanao fitokonana tsy mihinan-kanina [1] dia nilaza ireo gadra fa iharan'ny fanohintohinana ara-nofo ataon'ireo gadra izay ifampizaran'izy ireo ilay toerana izy ireo.

Nilaza ny mpisolovava Islam Lotfi, mpikambana ao amin'ny tontolon'ny fiarovana an'i Abd Al-Moneim fa “natokana ho an'ireo mpanao heloka bevava raindahiny indrindra” ny fonjan'i “Al Mahkom” izay hitazonana an'i Monem [2] ary “efa hita tamin'ireo voafonja ny tranga maro tamin'ny raboka sy VIH .”