Nitokona tsy nihinan-kanina ilay bilaogera voafonja, Abdel-Monem

(Marihina fa tamin'ny volana May 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nandrahona hanomboka fitokonana tsy hihinan-kanina ilay bilaogera voafonja, Abdel-Monem Mahmoud, sy ireo mpianatra miisa 23 hafa avy ao amin'ny Ivontoerana ho an'ny Injenieran'ny Fambolena nogadraina ny Talata 8 Mey 2007 ho fanoherana ny fepetra henjana amin'ny fitazonana azy ireo. Araka ny fanambarana hanao fitokonana tsy mihinan-kanina dia nilaza ireo gadra fa iharan'ny fanohintohinana ara-nofo ataon'ireo gadra izay ifampizaran'izy ireo ilay toerana izy ireo.

Nilaza ny mpisolovava Islam Lotfi, mpikambana ao amin'ny tontolon'ny fiarovana an'i Abd Al-Moneim fa “natokana ho an'ireo mpanao heloka bevava raindahiny indrindra” ny fonjan'i “Al Mahkom” izay hitazonana an'i Monem ary “efa hita tamin'ireo voafonja ny tranga maro tamin'ny raboka sy VIH .”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.