- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Arabia Saodita: Voasakana ny bilaogin'i Milyani

Sokajy: Arabia Saodita, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

(Marihina fa tamin'ny volana May 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nisy adihevitra nampientam-po tao amin'ny tontolon'ny bilaogy Saodiana taorian'ny vaovaon'ny fanakanana ny bilaogin'i Mohammed Milyani [1] avy amin'ny Internet Services Unit [2] (ISU). Ary na dia nisy aza ny fanombatombanana matanjaka fa noho ny olana ara-teknika [3] ny sakana, satria pejy vitsy monja no lasibatra fa tsy ny bilaogy iray manontolo dia naneho ny firaisankinany tamin'i Milyani ireo bilaogera Saodiana ary nanantena fa halana tsy ho ela ny sakana.