07 Janoary 2019

Tantara tamin'ny 07 Janoary 2019

Nakaton'ny China Telecom ny RSS FeedBurner

GV Mpisolovava  07 Janoary 2019

Notaterina fa tsy afaka miditra ao amin'ny FeedBurner intsony ireo olona mampiasa ny China Telecom. FeedBurner, izay efa novidian'ny Google Inc hatramin'ny volana jona 2007 no mpamatsy lehibe ny RSS, mampandeha ireo bilaogy an'arivony maro, podcast (fandraketam-peo) ary famoaham-baovao.

Manaramaso ny “cybercafes” ny polisy ao Mumbai

GV Mpisolovava  07 Janoary 2019

Amin'ny ady ataony amin'ny fampihorohoroana, dia mikasa ny hametraka mpandrakitra zavatra tendrena amin'ny kitendry (enregistreur de frappe au clavier) any amin'ny cybercafe ny polisy ao Mumbai. Araka ny filazan'i Vijay Mukhi, Filohan'ny Fikambanan'ny Teknolojia sy ny Fiarovam-baovao:

Norahonana indray ilay bilaogera Ejipsiana Monem

GV Mpisolovava  07 Janoary 2019

"Miatrika fandrahonana higadra indray" ilay bilaogera Ejypsiana sady mpanao gazety Abdel Monem Mahmoud izay navotsotra tamin'ny volana Jiona 2007 rehefa avy nigadra 46 andro tao amin'ny fonjan'i Torah, atsimon'i Cairo.

Nosakanan'i Iran ny fidirana ao amin'ny Google sy Gmail

GV Mpisolovava  07 Janoary 2019

Nosakanin'i Iran ny fidirana amin'ny mili-pikarohana Google sy ny tolotra maimaim-poanan'ny Google webmail Gmail, hoy ny sampam-baovao Mehr androany. "Afaka manamarina aho fa voasivana ireo tranonkala ireo," hoy i Hamid Shahriari, sekreteran'ny Filan-kevitry ny fampahalalam-baovao Nasionaly Iraniana.