- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Bilaogera Filipiana miatrika fitoriana fanalam-baraka

Sokajy: Filipina, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Febroary 2010)
6313F84E-A304-4CD9-B667-510680CCBED8.jpg
Janoary 2010- Tao Filipina, nametraka [1] fitoriana fanalam-baraka [2] an'ilay bilaogera Ella Ganda [3] ny birao nasionaly misahana ny fanadihadiana noho ny fangatahan'ny sekretaran'ny Sampan-draharaha momba ny Fiahiana ara-tsosialy sy ny Fampandrosoana (DSWD) Esperanza Cabral, fitoriana noho ny lahatsoratra bilaogy [4], nivoaka tamin'ny 21 Oktobra 2009, izay nampiseho ireo entana fanavotana notehirizina tokony omena ireo niharam-boina tamin'ny rivo-mahery Ketsana. Nilaza  [5]i Ella fa “nangonin'ireo mpiasa ao amin'ny Departemantan'ny Sosialy sy ny Fampandrosoana ireo entana fanavotana izay tokony omena ireo niharam-boina tamin'ireo rivo-doza tropikaly” Ondoy “(Ketsana) sy ny rivo-doza” Pepeng “(Parma) izay samy nandravarava”.

Tao amin'ny bilaoginy, nandefa “sary misy ireo bodofotsy nafarana sy farafara voalaza fa nomen'ireo sampan-draharaha vahiny notehirizina tao amin'ny trano fitehirizan'entan'ny DSWD” ihany koa i Ella.

Araka ny filazan'ny Inquirer.net [5], ny raharaha fanalam-baraka hanenjehana an'i Ella dia “noho ny filazany fa navela ho lò tao amin'ny tranom-panjakana fitehirizan’ entana”. [2]

Ella_Ganda.jpg
Tao amin'ny bilaoginy, naneho hevitra i Ella  [6]tamin'ny filazana hoe:

It was never my intention to villify Sec. Cabral, or the good people at the DSWD. My reaction at the sight of tons of relief goods which were apparently not moving was one of anger, of helplessness and dismay.

Tsy fikasako velively ny hampahatezitra ny Sekretera Cabral, na ny vahoaka mahafinaritra ao amin'ny DSWD. Fihetsika nateraky ny fahatezerana, raviravy tanana ary fahagagana no nataoko teo am-pijerena ireo entana fanavotana izay toa tsy nahetsika.