- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Iran: Nanao bemidina teny amin'ny cybercafe ny polisy

Sokajy: IrĂ na, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Septambra 2007)

Nitatitra [1] ny Radio Free Europe fa nanao bemidina tany amin'ireo cybercafe ny polisy ao Tehran, renivohitr'i Iran, ary nanakatona ny 25 tamin'izy ireo sy nampitandrina tompona cybercafe miisa 170 noho ny “fampiasana lalao solosaina tsy mendrika sy ny fitehirizana sary vetaveta”, ary ny fisian'ny vehivavy tsy manao “hijab araka ny tokony ho izy”. Araka ny tatitra, olona 23 no nogadraina nandritra ity fanentanana farany manohitra ny “fitondran-tena tsy mendrika sy tsy silamo” ity.