- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Norahonana indray ilay bilaogera Ejipsiana Monem

Sokajy: Ejipta, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Septambra 2007)

Miatrika fandrahonana higadra indray” ilay bilaogera Ejipsiana [1] sady mpanao gazety Abdel Monem Mahmoud izay navotsotra tamin'ny volana Jiona 2007 [2] rehefa avy nigadra 46 andro tao amin'ny fonjan'i Torah, atsimon'i Cairo. Izao fandrahonana indroa misesy izao dia samy fanadiovana ataon'ny fanjakana hanesorana ireo mpikatroka ara-politika sy noho ny fitateram-baovao ny fampijaliana, “hoy i Nora Younis [3] nanoratra.

Tao amin'ny lahatsoratra bilaogy navoaka androany [4], nanoratra i Monem fa ninkononkonona fanentanana manohitra azy sy nandrindra ny fisamborana azy indray ny manampahefana Atef el-Hosseiny – izay nampijaly azy nandritra ny 13 andro tao amin'ny foiben'ny fiarovana ny tanànan'i Nasr  tamin'ny taona 2003, niaraka tamin'i Ahmed Moussa, mpanao gazety ao amin'ny al-Ahram akaiky ny sampan-draharaham-piarovana.

Araka ny voalazan'i Monem, namoaka vaovao azo avy tamin'ny tatitry ny polisy ilay mpanao gazety al-Ahram, vaovao izay toa nomen'i el-Hosseiny. Miampanga ilay bilaogera Monem ho solontenan'ny Mpirahalahy Miozolomana niditra an-tsokosoko tao amin'ny gazety tsy miankina al-Dostour ilay mpanao gazety. Voampanga ho namoaka vaovao diso sy nampiasa kamera nomerika sy fakantsary finday tamin'ny fanentanany iadiana amin'ny fampijaliana ihany koa i Monem .

Roa herinandro lasa izay, tamin'ny 16 Aogositra 2007, namoaka lahatsary tena mahavaky fo ahitana an'i Mohamed Mamdouh [5], ankizy 12 taona izay maty noho ny fampijaliana  [6]tao amin'ny tobin'ny polisy ao Al Mansoura izay nitazonana azy noho ny fangalarana fonosana dite [7] tamin'ny fivarotana iray eo an-toerana i Monem.