- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nakatona-nosokafana-nakatona indray ny Dailymotion ao Tonizia

Sokajy: Tonizia, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Septambra 2007)

Dailymotion in Tunisia blocked-unblocked-blocked again
Ny hafatra hosoka “404” azo androany rehefa niezaka niditra ny Dailymotion.

Dailymotion [1], tranonkala fifampizaràna horonantsary mitovitovy amin'ny YouTube ao Frantsa no nakatona indray [2] any Tonizia. Mbola tsy mazava [3] raha ny sampana fehezin'ny fanjakana ATI [4] (Agence Tunisienne d'Internet), izay iasan'ny mpamatsy tolotra aterineto rehetra ao Tonizia  [5]no nametraka ny fandraràna na tsia.

Ny 1 Aprily 2007, nosakanana saika nandritra ny herinandro ny Dailymotion tany Tonizia. Nanao tsoa-kevitra ny talen'ny fikarohana ara-teknikan'ny Citizen Lab, Nart Villeneuve izay nanaraka ny raharaha [6] fa nakatona tokoa ny Dailymotion satria nosokajian'ny SmartFilter [7] –  rindrambaiko fanivanana novokarin'ny Secure Computing [8], orinasa amerikana ampiasain'i Tonizia – ho toy ny pôrnôgrafia [9]: “Nosakanana izy satria nosokajian'ny SmartFilter ho toy ny sary mamoafady ny tranonkala, ary, hatramin'ny fanakànan'i Tonizia ny sokajy pôrnôgrafia, dia voasakana ny tranonkala. Fotoana teo anelanelan'ny 4 aprily 2007 sy 9 aprily 2007, nesorin'ny SmartFilter tamin'ny sokajy pôrnôgrafia ny dailymotion.com. “

 Nanameloka [10] ny fanakatonan'ny manampahefana Toniziana ny fidirana amin'ny Dailymotion ny Reporters Sans Frontières (RSF). “Ny fanakanana ny tranonkala www.dailymotion.com dia mety natosiky ny famoahana lahatsary maromaro momba ny toe-draharaha ara-politika any Tonizia”, ​​hoy ny fikambanana tamin'ny fanambarana nivoaka tamin'ny 3 Aprily 2007.

Tamin'ny 6 aprily 2007, taorian'ny fandraràna ny Dailymotion, nanomboka [11] ny fanentanana “Sokafy ny Dailymotion [12]” ireo bilaogera Toniziana sy mpikatroka mba hanasongadinana ny fandraràna tsy ara-drariny sy hisarihana ny sain'ny vahoaka amin'ny sivana mahery vaika manjaka ao amin'ny firenena.”

small logo gold [12]