Nakaton'i Bahrain ny tranonkalan'ny hetsika ara-politika, Haq

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Septambra 2007)

Milaza ny fanambarana an-gazety tamin'ny 11 Oktobra navoakan'ny HAQ: Movement of Liberties and Democracy- Bahrain, [Hetsiky ny Fahafahana sy ny Demaokrasia – Bahrain] izay nahazoan'ny Global Voices Advocacy kopia momba izany, fa nosakanan'i Bahrain ny fidirana amin'ny tranonkala elektronikany:

This is not the first nor the last electronic site the Bahraini Authorities prevent access to local residents. At one instance early this year, the number of barred sites exceeded 26 (local and international) as a result of reporting of the violations in Bahrain, mainly the issue of what was locally dubbed as “Bandergate report”. This report shows a compilation of secret documents leaked from the Royal Court and elucidating a detailed action plan to sow sectarian sedition among citizens, create fake NGO's controlled by the Authorities, penetration as well as controlling civic organizations. The blockade order is executed by the main internet government owned company BATELCO, and is carried out administratively and without any judicial procedure.

Tsy ity no voalohany na tranonkala elektronika farany sakanan'ny manampahefana Bahrainta ny fidirana aminy ho an'ny mponina ao an-toerana. Tamin'ny fotoana iray tamin'ny fiandohan'ity taona 207 ity dia nihoatra ny 26 ireo tranonkala voasakana (eo an-toerana sy iraisampirenena) noho ny fitaterana ireo fandikan-dalàna natao tany Bahrain, indrindra ny olana momba ilay antsoina ao an-toerana hoe “tatitra Bandergate”. Ity tatitra ity dia mampiseho ny fanangonana ireo antontan-kevitra tsiambaratelo tafaporitsaka tao amin'ny Tokotanin'ny Mpanjaka ary mamaha ireo tetpanorona rehetra isian'ny fisaraham-bazana ara-pivavahana eo amin'ny olom-pirenena, mamorona FTMF faikany fehezin'ny manampahefana, miditra ary koa mifehy ireo fikambanana sivika. Nampiharin'ny orinasam-panjakana lehibe indrindra amin'ny fitantanana ny aterineto BATELCO ny baiko fanakatonana, ary notanterahana tamin'ny fomba ara-panjakana sy tsy nisy dingana ara-pitsarana.

Araka ny filazan'ilay bilaogera Mahmoud Al-Yousif “Raha ny minisiteran'ny fampahalalam-baovao no tompon'antoka tamin'ny politika fanakanana aterineto amin'ny fidirana amin'ny tranonkala ao Bahrain” dia mety ho iray amin'ireo baiko voalohany avy amin'ny minisitra vaovao vao notendrena, Jihad Bu Kamal izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.