- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nosakanan'i Iran ny fidirana ao amin'ny Google sy Gmail

Sokajy: Iràna, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Septambra 2007)

Nosakanin'i Iran ny fidirana amin'ny mili-pikarohana Google [1] sy ny tolotra mailaka maimaimpoana an'ny Google Gmail [2], hoy ny sampam-baovao Mehr androany [3]. “Afaka manamarina aho fa voasivana ireo tranonkala ireo,” hoy i Hamid Shahriari, sekreteran'ny Vaomieram-Pirenena misahana ny fampahalalam-baovao iraniana.

Vaovao farany: “Noho ny fahadisoana, dia voasivana ny tranokalan'i Google ny alahady hariva saingy efa voahitsy ny fahadisoana ary azo ampiasaina ankehitriny ny Google sy ireo tranonkalany hafa isan-karazany tahaka ny Gmail,” hoy ny manampahefana [4] iray avy amin'ny orinasam-pifandraisan'ny fanjakana.