- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fanentanana “Avotsory i Monem”

Sokajy: Ejipta, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

(Marihina fa tamin'ny volana May 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Raha nankalaza ny Andro Erantany Ho an'ny Fahalalahan'ny Asa Fanaovan-Gazety [1] izao tontolo izao, ilay Egyptiana mpanao gazety sady bilaogera, Abdel Monem Mahmoud [2], kosa any am-ponja rehefa avy nitatitra momba ny fampijaliana [3] ka nanameloka ny fandefasana ireo sivily ho any amin'ny fitsarana miaramila [4] .

Tamin'ity fotoana ity, nanangana ny fanentanana Avotsory Monem [5] ireo bilaogera vitsivitsy sy mpikatroka avy amin'izao tontolo izao.” Tsy afaka mamela ny fitondrana hahomby amin'ny fampanginana azy izahay. Tsy maintsy mampiseho ny fitondrana Egyptiana izahay fa rehefa managadra bilaogera izy ireo dia tsy mampangina ny feony, fa vao mainka MANAMAFY izany! ” hoy izy ireo nanoratra tao amin'ny mailaka fanambarana .