- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

ONI: Nosakanan'i Ethiopia ny tranokalan'ny mpanohitra sy ny bilaogy an-tapitrisany  

Sokajy: Etiopia, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

(Marihina fa tamin'ny volana May 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Araka ny The Openet Initiative [1], nosakanan'ny manampahefana Ethiopiana ny fidirana tamin'ny tranokalan'ny mpanohitra sy ny bilaogy miantrano ao amin'ny Blogger [2]. “Nifandraika tamin'ny fahalalaham-pitenenana, ny zon'olombelona ary ny fanoherana ara-politika ny ankamaroan'ireo tranonkala izay hitanay fa voasakana,” hoy ny talen'ny fikarohana OpenNet Robert Faris [3] tamin'ny Reuters. “Heveriko fa mahatonga ny governemanta Ethiopiana ho tena masiaka amin'ny fahalalahana miteny sy hanokatra ny adihevitra ara-politika izany fanapahan-kevitra izany” hoy Ethan Zuckerman, mpiara-manorina ny Global Voices.