(Tetikasa taloha)
Trohy amin'ny endrika pdf ity taridia ity
Eto ianao mahita izay ilainao ho fantatra mba hahazoana tsara ity teknika matanjaka ity.
Ahoana-no?
1- Mamangitra ny lahatsarinao:
Mandritra ny fotoana amoahana lahatsary amin'ny YouTube ianao afa-mamangitra ny lahatsarinao amin'ny toerana iray:
Rehefa voarakitra ny toerana ary tafavoaka ny lahatsary dia hipoitra eo amin'ny Google Earth izany.
2- Ahoana ny amoahana lahatsary Youtube voagangitra ao amin'ny Google Earth?
Ho famelomana ny velatra (layer) Google YouTube, dia mila misosa mankany amin'ny tolotra “Layers” eo amin'ny ilany ankavia amin'ny Google Earth ianao. Sokafana (tendrena) ny vona “Gallery” eo amin'ny layers (velatra) hivoahan'ny velatra “Youtube”. Rehefa notendrenao ny efajoro eo anilan'ny Youtube Layer dia hivoaka manerana ny glaoby ny ikônina Google YouTube rehetra.
Fampiasana mahomby ny teknikan'ny Geo-bombing
Nampiasain'ireo Toniziana mpikatroka avy ao amin'ny bilaogy ifarimbonana Nawaat.org (The Core) ity teknika ity handrohizana ireo lahatsary fijoroana vavolombelona am-polony nahitana ireo Toniziana gadra politika sy mpiaro ny zon'olombelona ho eo amin'ny toerana misy ny lapan'ny filoham-pirenena ao amin'ny Google Earth. Amin'izao fotoana izao ianao raha misidina ambonin'ny lapan'ny filoha eo amin'ny Google Earth, dia ho hitanao indrindra ireo lahatsary miresaka ny fahafahana ara-tsivily ireo izay iezahan'i Ben Ali tsy ho hitan'ny Toniziana mpiserasera amin'ny alalan'ny fanakanana ireo tranonkalam-pifampizarana lahatsary ireo, dia ny Youtube sy ny DailyMotion.
Sit-in virtoaly ao amin'ny Lapam-panjakana Toniziana
Filazan'ny gazety
Tunisian activists and their allies organised a “digital sit-in”, linking dozens of videos about civil liberties to the image of the presidential palace in Google Earth. That turned a low-key human-rights story into a fashionable global campaign.
The Economist – Authoritarian governments can lock up bloggers. It is harder to outwit them
Nikarakara “sit-in nomerika” ireo Toniziana mpikatroka sy ny mpiara-dia aminy, mandrohy lahatsary am-polony miresaka fahafahana ara-tsivily eo amin'ny lapam-panjakan'ny filoha ao amin'ny Google Earth. Namadika ny tantaran'ny zon'olombelona tsy dia zava-dehibe loatra ho fanentanana manerantany azo alain-tahaka izany.
The Economist – Authoritarian governments can lock up bloggers. It is harder to outwit them
It’s remarkable how little Google Earth bombing there’s been, considering the high profile of the application (…) Time to define “Google geobombing” or “Google Earth bombing”, then (…) Even if the definition is a bit dry, there’s not doubt that Google geobombing is great cheap guerrilla PR.
Ogle Earth – Google Earth bombing for a free Tunisia
Mahatalanjona tokoa ny fanapoahana nataon'ilay Google Earth kely, raha heverina ny fisandratan'ilay fampiasa (…) Fotoana hamaritana ny “Google geobombing” na ny “Google Earth bombing”, avy eo (…) Na dia mbola maina be aza ny famaritana, dia tsy isalasalana fa mora ampiasaina amin'ny fifandraisana amim-bahoaka (amin'ny ady any anaty akata) izany .
Ogle Earth – Google Earth bombing for a free Tunisia
The online campaign not only bypasses and mocks the regime’s ban on video-sharing sites, but also reaches foreigners who may not be aware of abuses inside Tunisia. For the first time, virtual tourists to Tunisia can see a dark side to historic sites and beautiful beaches.
C.R.I.M.E Report - Virtual Sit-in at Tunisian Presidential Palace
Tsy vitan'ny hoe manitsy sy maneso ny fandraràn'ny fitondrana ny habaka fifampizarana lahatsary izany fanentanana antserasera izany, fa mahatratra ihany koa ireo vahiny mety tsy mahafantatra ny fihoaram-pahefana ao Tonizia. Sambany ireo mpizahatany virtoaly an'i Tonizia no mahita ny ilany matroka amin'ny toerana manatantara sy ireo torapasika mahafinaritra.
C.R.I.M.E Report - Virtual Sit-in at Tunisian Presidential Palace