- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Taridia Advocacy 2.0 : Fitaovana iasana amin'ny fanandrata-teny nomerika

Sokajy: Hafanam-po, Mediam-bahoaka, Solovava, Torolalana, GV Mpisolovava

(Lahatsoratra teny anglisy tamin'ny septambra 2008)
Ny Taridia Advocacy 2.0 (Fitaovana ilaina amin'ny fanandratateny nomerika) no mamariparitra ny sasany amin'ireo teknika sy fitaovana tsara indrindra azon'ny mpikatroka – sy ireo hafa te-hianatra avy amin'ity lohahevitra ity – ampiasaina amin'ny fanentanana fanandrata-teny antserasera. Raha nifantoka tamin'ny fomba mahomby amin'ny bilaogy ho fitaovana fanandratateny ny taridia nataonay teo aloha (Blog for a Cause! [1]), ity taridia ity kosa hanavatsava ireo fomba vaovao avy amin'ny fampiasa web 2.0 hafa.

Ny tanjonay dia:

Avy amin'ny “Geo-bombing [3]” [mg] mankany amin'ny “multi-blogging (mamaham-bilaogy maro)” sy Twitter mankany amin'ireo “mash-ups”, savasavainay ny sahan'ny fanandratateny nomerika, hanampiana ireo mpikatroka hahatratra ny mpihaino sy mpamaky izay mety ho tsy tratra mihitsy teo aloha.

Avoakanay ny voalohany avy amin'ny andian'ny Taridia Advocacy 2.0 Guides izay hampiseho anao ny fomba fampiasana ny web 2.0 ho fitaovana fanandratateny:

Geo-bombing: YouTube + Google Earth [4] [mg]
GeobombingNy Geo-bombing no iray amin'ny teknika izay mety ampiasaina ahafahana mampahomby ny fampielezana ireo fanentanana an-dahatsary YouTube amin'ny alalan'ny fampidirana an-tsaritany ireo fampiasan'ny Google tahaka ny Google Maps [5] sy ny Google Earth [6]. Amin’izao fotoana izao [7] ianao afa-mijery ny lahatsarinao voafangitra sy mifarango (geotagged) ao amin'ny Google Earth sy ny Google Maps. Hiseho avokoa izay rehetra lahatsary YouTube voafangitra rehefa misy ny manapika hisokatra ny Google Earth/Maps amin'ny Youtube [vakio bebe kokoa… [3]]