(Lahatsoratra teny anglisy tamin'ny septambra 2008)
Ny Taridia Advocacy 2.0 (Fitaovana ilaina amin'ny fanandratateny nomerika) no mamariparitra ny sasany amin'ireo teknika sy fitaovana tsara indrindra azon'ny mpikatroka – sy ireo hafa te-hianatra avy amin'ity lohahevitra ity – ampiasaina amin'ny fanentanana fanandrata-teny antserasera. Raha nifantoka tamin'ny fomba mahomby amin'ny bilaogy ho fitaovana fanandratateny ny taridia nataonay teo aloha (Blog for a Cause!), ity taridia ity kosa hanavatsava ireo fomba vaovao avy amin'ny fampiasa web 2.0 hafa.
Ny tanjonay dia:
- Hanambatra ireo fitaovana web 2.0 hanandrata-teny (hisoloana vava ampahibemaso)
- Manolotra fampianarana amin'ny antsipiriany amin'ny fampiasana azy ireny
- Manasongadina ireo zava-niainana mahomby tamin'ny fikatrohana web 2.0 nataon'ireo mpikatroka nomerika ao an-toerana manerana izao tontolo izao.
- Manome aingam-panahy ireo mpikatroka hafa handray ireo tetipanorona ireo ho ampiasain-dry zareo amin'ny tanjona sy filan-dry zareo manokana.
Avy amin'ny “Geo-bombing” [mg] mankany amin'ny “multi-blogging (mamaham-bilaogy maro)” sy Twitter mankany amin'ireo “mash-ups”, savasavainay ny sahan'ny fanandratateny nomerika, hanampiana ireo mpikatroka hahatratra ny mpihaino sy mpamaky izay mety ho tsy tratra mihitsy teo aloha.
Avoakanay ny voalohany avy amin'ny andian'ny Taridia Advocacy 2.0 Guides izay hampiseho anao ny fomba fampiasana ny web 2.0 ho fitaovana fanandratateny:
