- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Rindrin'Afo Lehibe an'i Torkia: Tamin'ny WordPrexy no nidirana tamin'ny bilaogy WordPress

Sokajy: Tiorkia, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

(Marihina fa tamin'ny volana Septambra 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

WordPrexy

Nanangana ny tetikasa WordPrexy.com [1] mba ahafahan'ny bilaogy Tiorka miditra amin'ny  WordPress.com ireo mpikatroky ny Great Firewall of Turkey [2] (na Rindrin'Afo Lehibe an'i Torkia [2]) ho setrin'ny fanapaha-kevitry ny fitsarana hanakanana ny fidirana [3] amin'ny sehatra famahanana bilaogy WordPress.com [4] iray manontolo any Torkia, taorian'ny fanendrikendrehana nataon'ilay mpandala ny famoronana Islamista [5]Adnan Oktar [6]. Lohamilina proxy iray manokana ho an'ny WordPress izay mandefa ny dindon'ny votoaty WordPress.com ny WordPrexy :

What we do at WordPrexy.com [1] is basically offer an easy to use proxy service to bypass the blocking of WordPress.com in Turkey. What we don't do is copy your content and serve it as ours, or host it on our servers. We have neither the capacity nor the financial sources to do so.

Ny manolotra fomba mora ampiasana ny tolotra proxy hialana amin'ny fanakanana ny WordPress.com ao Torkia no ataonay ao amin'ny WordPrexy.com [1]. Tsy ataonay ny mandika-petaka ny votoatinareo sy mampiasa izany ho toy ny anay, na mampiatrano izany amin'ny lohamilinay. Tsy mahavita ny manao izany na loharanom-bola hanaovana izany izahay.

Fa ny mampihomehy, sy mampatahotra [7] dia azo ampiasaina any amin'ny faritra hafa manerana izao tontolo izao ihany koa ny WordPrexy [1] , tahaka ny any Thailandy izay voasakana [8] ihany koa ny wordpress.com. Amin'ny ankapobeny dia manao sary-mitovy ny bilaogy tsirairay miantrano ao amin'ny WordPress.com [4] ny WordPrexy [1], eny fa na dia ny pejy fanokafana WordPress.com aza. Noho izany raha toa ka miantrano ao amin'ny WordPress.com ny bilaoginao voasakana dia efa manana dika mitovy amin'izany ny WordPrexy .