Rindrin'Afo Lehibe an'i Torkia: Tamin'ny WordPrexy no nidirana tamin'ny bilaogy WordPress

(Marihina fa tamin'ny volana Septambra 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

WordPrexy

Nanangana ny tetikasa WordPrexy.com mba ahafahan'ny bilaogy Tiorka miditra amin'ny  WordPress.com ireo mpikatroky ny Great Firewall of Turkey (na Rindrin'Afo Lehibe an'i Torkia) ho setrin'ny fanapaha-kevitry ny fitsarana hanakanana ny fidirana amin'ny sehatra famahanana bilaogy WordPress.com iray manontolo any Torkia, taorian'ny fanendrikendrehana nataon'ilay mpandala ny famoronana IslamistaAdnan Oktar. Lohamilina proxy iray manokana ho an'ny WordPress izay mandefa ny dindon'ny votoaty WordPress.com ny WordPrexy :

What we do at WordPrexy.com is basically offer an easy to use proxy service to bypass the blocking of WordPress.com in Turkey. What we don't do is copy your content and serve it as ours, or host it on our servers. We have neither the capacity nor the financial sources to do so.

Ny manolotra fomba mora ampiasana ny tolotra proxy hialana amin'ny fanakanana ny WordPress.com ao Torkia no ataonay ao amin'ny WordPrexy.com. Tsy ataonay ny mandika-petaka ny votoatinareo sy mampiasa izany ho toy ny anay, na mampiatrano izany amin'ny lohamilinay. Tsy mahavita ny manao izany na loharanom-bola hanaovana izany izahay.

Fa ny mampihomehy, sy mampatahotra dia azo ampiasaina any amin'ny faritra hafa manerana izao tontolo izao ihany koa ny WordPrexy , tahaka ny any Thailandy izay voasakana ihany koa ny wordpress.com. Amin'ny ankapobeny dia manao sary-mitovy ny bilaogy tsirairay miantrano ao amin'ny WordPress.com ny WordPrexy, eny fa na dia ny pejy fanokafana WordPress.com aza. Noho izany raha toa ka miantrano ao amin'ny WordPress.com ny bilaoginao voasakana dia efa manana dika mitovy amin'izany ny WordPrexy .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.