05 Janoary 2019

Tantara tamin'ny 05 Janoary 2019

Fanentanana aza sakanana ny Dailymotion

GV Mpisolovava  05 Janoary 2019

(Marihina fa tamin'ny volana Aprily 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Taorian'ny fandrarana nataon'ireo manampahefana Toniziana mikasika ny tranonkala fifampizarana lahatsary malaza Dailymotion, dia nanomboka ny ” fanentanana Alefaso ny Dailymotion ” ireo bilaogera Toniziana sy mpikatroka ny 6 aprily 2007, mba hanasongadinana ny fandrarana tsy ara-drariny sy hisarihana ny...

Ejypta: Mpanao gazety iray hafa voaroaka

Mba hanohizana ireo andiana fanorisorenana na fandroahana mpanao gazety any Ejipta, tahaka an'i Travis Randall, Philip Rizk sy Wael Abbas; dia notazonina tany amin'ny seranam-piaramanidin'i Cairo taorian'ny nahatongavany i Per Bjorklund, mpanao gazety Soedoà sady bilaogera. Nosakanan'ny polisy izy ary naverina tany Prague tsy misy fanazavana; nolazaina taminy fotsiny fa "ao anatin'ny solosaina ny anaranao."