- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Zimbaboe: Volavolan-dalànan'ny fijapiana fifandraisana

Sokajy: Zimbaboe, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

(Marihina fa tamin'ny volana Jona 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nolanian'ny parlemanta Zimbaboeana ny ” Volavolan-dalànan'ny fijapiana serasera [1]” izay mamela ny governemanta hanara-maso ny finday, ny mailaka ary ny Aterineto.

Manameloka ity lalàna ity [2] izay teo am-piandrasana ny fankatoavan'ny Antenimieran-doholona ny orinasa mpanome tolotra Aterineto Zimbaboeana satria mitaky azy ireo hividy fitaovana fanaraha-maso lafo vidy izay tsy zakan-dry zareo ny vidiny.

Nilaza ny Minisitry ny Fitaterana sy ny Serasera fa mitovy amin'ny lalàna [3] misy any Etazonia sy Angletera izany: “Ireo firenena izay heverina ho akanin'ny demokrasia”, hoy izy.