Zimbaboe: Volavolan-dalànan'ny fijapiana fifandraisana

(Marihina fa tamin'ny volana Jona 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nolanian'ny parlemanta Zimbaboeana ny ” Volavolan-dalànan'ny fijapiana serasera” izay mamela ny governemanta hanara-maso ny finday, ny mailaka ary ny Aterineto.

Manameloka ity lalàna ity izay teo am-piandrasana ny fankatoavan'ny Antenimieran-doholona ny orinasa mpanome tolotra Aterineto Zimbaboeana satria mitaky azy ireo hividy fitaovana fanaraha-maso lafo vidy izay tsy zakan-dry zareo ny vidiny.

Nilaza ny Minisitry ny Fitaterana sy ny Serasera fa mitovy amin'ny lalàna misy any Etazonia sy Angletera izany: “Ireo firenena izay heverina ho akanin'ny demokrasia”, hoy izy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.