- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Thailandy: ny lasibatra voalohany amin'ny lalànan'ny heloka an-tsolosaina

Sokajy: Thailandy, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

(Lahatsoratra tamin'ny septambra 2007)

Hita vao haingana fa nandany ny Lalànan'ny heloka an-tsolosaina ny manampahefana Thailandey vao haingana (azonao atao ny mitroka ny dosie eto ambany) mba hisamborana Thailandey anankiroa [1] amin'ny lazaina ho fanehoan-kevitra mandratra nivoaka tao amin'ny aterineto momba ilay mpanjaka tokana hajaina ao amin'ny firenena. “Farafahavitsiny olona iray no tazonina ao amin'ny fonja mialoha fitsarana ao Bangkok noho ny heloka bevava manitsakitsaka ny lalànan'ny heloka an-tsolosaina izay nihatra nanomboka ny 18 jolay 2007,” hoy ny Prachatai [2] androany:

The detainee is a 36 year-old computer programmer who posted comments on web-boards using a well-known alias. According to the source, the person was detained for 6 days at the Police Crime Suppression Division office before being transferred to the remand prison on August 30.

36 taona ilay programera solosaina voatazona izay namoaka fanehoan-kevitra tao amin'ny tranonkala mampiasa anaran'olo-malaza. Araka ny loharanom-baovao, nohazonina enina andro tao amin'ny biraon'ny fanenjehana heloka bevava an'ny polisy ilay olona nialoha ny namindrana azy tao amin'ny fonja fihazonana vonjimaika alohan'ny fotoam-pitsarana tamin'ny 30 aogositra.


Raha nanontaniana an-telefonina hanamarinana raha misy tokoa ny fisamborana
, nilaza ny minisitry ny teknolojiam-baovao, Sitthichai Pookaiyaudom [3] fa “Tsy mahalala ny momba izany aho. Ary raha misy olona nosamborina noho ny lalàna dia tsy ampahafantarina izany aho.

Download PDF [4]