- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Bilaogera Ejipsiana nosamborina sy tsy navela hitantara ny fitokonan'ny mpamily taksy

Sokajy: Ejipta, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Septambra 2007)

Mahmoud Chachtawi, bilaogera [1] Ejipsiana sady mpanangom-baovaon'ny tranonkala abna2masr.com [2] no nosamborina nandritra ny fitokonan'ny mpamily fiarakaretsaka [3]nanaovany fanangonam-baovao. Taorian'ny nitazonana azy nandritra ny adiny efatra, navotsotry ny polisy izy ary nalain'izy ireo ny fakantsariny, ny findainy ary ny kara-panondrony. Araka ny hafatra tamin'ny twitter tavela tao amin'ny bilaogy [4], dia toa efa naverina tany aminy ihany ny fitaovany saingy tsy tao intsony ny karatra fahatsiarovana amin'ny fakantsary izay misy ny sarin'ny fitokonana.