- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Lehilahy mpikirakira solosaina voasambotra noho ny nanaovany fanandramana ny tranonkalan'ny filoha Poloney

Sokajy: Polonina, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Septambra 2007)

 Mety hiatrika sazy telo taona an-tranomaizina [1]i Marek W. Poloney, 23 taona, mpikirakira (programera) solosaina noho ny famoronana  rindrambaiko Googlebombing  [2]izay mampifandray ny tranonkalan'ny filoha Poloney Lech Kaczynski [3] amin'ny teny hoe “kutas” midika hoe “bibity” amin'ny teny poloney. Voampanga ho nanevateva ny filoha Lech Kaczynsk i Marek izay nahavita nanodinkodina ny fikilasiana amin'ny milina fikarohana Google ka nahatonga ireo mpisera aterineto Poloney tafiditra tao amin'ny www.prezydent.pl [4] rehefa nitady ny teny “kutas” tao amin'ny Google Polska [5]. Nitatitra [6] ny gazety poloney Gazeta Wyborcza [7] fa nanao andrana tamin'ny rindrambaikony hanatsarana ny milina fikarohana i Marek:

The man used the official website of Polish president Lech Kaczyński for testing the software. When internet users typed “kutas” [“penis”] they got the official president’s site. Furthermore – it was the first result. They played with this for couple of months – right up to March this year. That’s when the 23 years old was traced by investigator from the Katowice police office.

Finding him wasn’t difficult – the man used his home computer, which police easily traced by its IP address. The computer amateur confirmed that he wrote the program. “I just wanted to verify my skills and check if the software works” was his explanation during the hearings.

Nampiasa ny tranonkala ofisialin'ny filohan'i Polonina, Lech Kaczyński ho fanandramana rindrambaiko i Marek. Rehefa mitendry ny voambolana “kutas” [“bibity”] ny mpiserasera amin'ny aterineto dia tafiditra tao amin'ny tranokala ofisialin'ny filoha. Ankoatra izany – izany no vokatra voalohany. Nilalao izany nandritra ny roa volana ry zareo – hatramin'ny volana martsa tamin'ity taona (2007) ity. Tamin'izany fotoana izany no nahatsikaritra ity lehilahy 23 taona ity ny mpanao famotorana avy ao amin'ny biraon'ny polisy Katowice.

Tsy sarotra ny nahita azy – nampiasa ny solosainy any an-trano i Marek, izay hitan'ny polisy mora foana tamin'ny adiresiny IP. Nanamafy ity mpankafy solosaina ity fa izy no nanoratra ny programa. “Te hanamarina fotsiny ny fahaizako aho ary hanamarina raha miasa ny rindrambaiko” izany no fanazavany nandritra ny famotorana.