- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nosakanan'i Tonizia ny fidirana amin'ny Dailymotion

Sokajy: Tonizia, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

(Marihina fa tamin'ny volana Aprily 2007 no nivoaka ny lahatsoratra teny Anglisy)

Ny Alahady 1 Aprily 2007, nanakana ny fidirana amin'ny tranonkala fifampizarana lahatsary Frantsay malaza Dailymotion [1] ny manampahefana Toniziana, hoy ilay bilaogera Toniziana Astrubal [2] raha nanoratra .

” Mety vokatry ny famoahana lahatsary maromaro momba ny toe-draharaha politika any Tonizia no nanakanana ny tranonkala www.dailymotion.com “, ​​hoy ny Reporters Without Borders [3] (RSF) tamin'ny fanambarana navoakany ny 3 Aprily 2007.