- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nosakanan'i Thailandy ny YouTube

Sokajy: Thailandy, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

(Marihina fa tamin'ny volana Aprily 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Ny 4 aprily 2007,  nanakana ny fidirana [1] tamin'ny tranonkala fifampizarana lahatsary malaza YouTube  ny governemanta notendren'ny tafika tao Thailandy rehefa nanda ny hanala ny lahatsary iray manasoketa ny mpanjaka hajaim-bahoaka ao amin'ny firenena dia ny Mpanjaka Bhumibol Adulyadej [2] ny Google Inc, izay tompony .

“Raha manapa-kevitra ny hanala ilay lahatsary izy ireo dia hoesorintsika ny fandraràna, ” hoy ny Minisitry ny teknolojiam-baovao Sitthichai Pookaiyaudom [3] .