- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fanentanana aza sakanana ny Dailymotion

Sokajy: Tonizia, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

(Marihina fa tamin'ny volana Aprily 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Taorian'ny fandrarana [1] nataon'ireo manampahefana Toniziana mikasika ny tranonkala fifampizarana lahatsary malaza Dailymotion [2], dia nanomboka ny ” fanentanana Alefaso ny Dailymotion [3] ” ireo bilaogera Toniziana sy mpikatroka ny 6 aprily 2007, mba hanasongadinana ny fandrarana tsy ara-drariny sy hisarihana ny sain'ny besinimaro tamin'ny sivana henjana nanjaka tao amin'ny firenena.