Ejypta: Ahoana no ahafahantsika manampy an'i Gaza?

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Janoary 2009)

Manao hetsika ireo bilaogera Ejiptiana ho fanohanana an'i Gaza izay iharan'ny fanafihan'ny tafika Israeliana nandritra ny herinandro.

Yasmin manontany hoe: Inona no azontsika atao ho an'i Gaza?

Manamarika ny fomba ahafahantsika tena manampy izy fa tsy hiraviravy tanana fotsiny, ary mibilaogy hetsika vitsivitsy sy miabo amin'ny bilaogy. Afaka manomboka miasa amin'izany ireo bilaogera Ejiptiana. Izao avy:

* If you are a blogger, blog about it. Stay level and smart, respond to hate comments wisely and smartly.
* If you use Twitter, tweet about it.
* If you live in a country where you can change your politics rally and lobby for the cause.
* If you use Facebook, post articles and blog posts to point your non Arab friends to fairer information.
* If you are a cartoonist or an artist, express yourself and post on deviantart, facebook, blogs or wherever you can.
* If you are a teacher teach our younger generations.
* If you are part of Global Voices then translate articles and educate the rest of the world.

* Raha bilaogera ianao, dia manorata bilaogy momba izany. Mbà tony sy mahay mandanjalanja, mamaly amim-pahendrena sy amim-paranintan-tsaina ireo fanehoan-kevitra feno fankahalana.
* Raha mampiasa Twitter ianao, dia mandefasa sioka momba izany.
* Raha monina any amin'ny firenena izay ahafahanao manova ny fihetsiketsehana ara-politika ary mandresy lahatra ho an'ny fiarovana an'i Gaza.
* Raha mampiasa Facebook ianao dia mandefasa hafatra sy lahatsoratra bilaogy mba hampafantatra ireo namanao tsy Arabo momba ny vaovao marina.
* Raha mpanao sariitatra ianao na mpanakanto, asehoy ny hevitrao ary alefaso ao amin'ny deviantart, facebook, bilaogy na izay rehetra mety aminao.
* Raha mpampianatra ianao, dia ampianaro ireo zandrintsika tanora.
* Raha anisan'ny Global Voices ianao dia mandikà lahatsoratra ary ampahafantaro izao tontolo izao.

Tamin'ny fanamarihana miabo mitovitovy amin'izany, nanomboka hetsika vaovao hanohanana an'i Palestina i Appy sy Mfawey. Mitaky amin'ny mpamakiny izy ireo mba handefa mailaka any amin'ireo fikambanana iraisam-pirenena rehetra mba hanehoana ny tena zava-misy momba ny fepetra maha-olona mahatsiravina ao Gaza noho ny fanafihana feno herisetra ataon'ny ny Israeliana sy ny fiantraikany eo amin'ny mponina sivily. Miantso ireo mpandika teny an-tsitrapo ihany koa izy ireo mba handika ny lahatsoratra amin'ny fiteny rehetra.

Toy izao manaraka izao ny hafatra nalefa tamin'ny bilaogy roa tonta:

Dear All

For the sixth day Israel continue their massacre against the people of isolated Gaza. about 440 killed and martyrs and more than 1750 injured with the support of the United states, immobility of Arab and international communities with only a mere verbal condemnations of unjustified violence against the Palestinian people. This was just a verbal accusation of unjustified violence against the Palestinian people.

Arabs, Muslims and Europeans went out into the streets to demonstrate and express their anger against the inhumane treatment suffered by the inhabitants of Gaza who are subjected to hunger, encroachment, and the violation of the all the principles of Human rights. this violence is not only against Hamas as announced by the Israeli media, but it has also affected the mosques, the Islamic University, houses and a school that depends on the United Nations relief for Palestinian refugees (UNRWA) and the Palestinian government buildings in Gaza; the most populated area in the world which increased the total number of civilians victims . Yesterday the Israeli army announced that Gaza has become a military area while relying on a number of additional troops and tanks to prepare for a new ground military invasion to Gaza.

In addition, Israeli armored forces attacked the boat ”Dignity” which came from Cyprus and aimed to break the siege of Gaza
We ask you to help Gaza as soon as possible and immediately stop the Israeli massacre against the unarmed Palestinian people and ending the siege on Gaza, and the opening of the Rafah crossing point. The Egyptian authorities refused to open the crossing point in the absence of the Palestinian Authority, and the presence of international observers, and for fear of Israeli air strikes on the border strip in Rafah point while ensuring the transport of wounded Palestinians to the hospital in Egypt because of the shortage of essential medical tools In Gaza.

in the name of humanity And human rights, we ask you to rescue Gaza from the threat of genocide at the hands of the Israeli army.

Tompoko,

Ny andro fahenina, nanohy ny vono olona nataon'izy ireo tamin'ny vahoakan'i Gaza i Israely. Teo amin'ny 440 no maty sy maritiora ary mihoatra ny 1750 no naratra noho ny fanohanan'ny fanjakana amerikana, ny tsy fihetsehan'ny fiarahamonina Arabo sy ny fiarahamonina iraisam-pirenena izay manameloka am-bava fotsiny ny herisetra tsy ara-drariny nihatra tamin'ny vahoaka Palestiniana. Fiampangana am-bava fotsiny ny herisetra tsy ara-drariny nihatra tamin'ny vahoaka Palestiniana izany.

Arabo, Miozolomana ary Eoropeana no nidina an-dalambe mba hanao fihetsiketsehana sy haneho ny hatezerany manoloana ny tsy fanajana ny maha-olona iaretan'ny mponina ao Gaza izay iharan'ny hanoanana, ny fanitsakitsahana ary ny fandikana ny fitsipika rehetra momba ny zon'olombelona. Ity herisetra ity dia tsy mihatra amin'ny Hamas ihany araka izay nambaran'ny fampahalalam-baovao Isiraeliana, fa mahazo ihany koa ny moskea, ny oniversite silamo, trano sy sekoly iray miankina amin'ny fanavotan'ny Firenena Mikambana ho an'ireo Palestiniana mpitsoa-ponenana (UNRWA) sy ny tranoben'ny governemanta Palestiniana ao Gaza; faritra be mponina indrindra nitombo isan'ireo sivily niharam-boina eran'izao tontolo izao. Omaly dia nanambara ny tafika Israeliana fa lasa faritra ara-tafika i Gaza ary miantehitra tamin'ny tafika fanampiny maro sy fiara mifono vy mba hiomana amin'ny fananiham-bohitra ara-miaramila vaovao any Gaza.

Fanampin'izany, nanafika ny sambo ”Dignity ” izay tonga avy any Sipra ary nikasa ny handrava ny fahirano ao Gaza ny tafika mitam-piadiana tsara aro israeliana. Mangataka anareo izahay mba hanampy an'i Gaza haingana araka izay tratra sy hanakana avy hatrany ny famonoana ataon'ny Israeliana ny vahoaka Palestiniana tsy manana fitaovam-piadiana ary hamarana ny fahirano ao Gaza, sy hanokatra ny lalana fiampitàna (sisintany) ao Rafah. Tsy mety manokatra ny lalana fiampitàna ny manampahefana Ejiptiana raha tsy eo ny manampahefana Palestiniana, sy ny fisian'ireo mpanaramaso iraisampirenena, ary noho ny tahotra daroka an'habakabaka ataon'ny Israeliana eo amin'ny sisintany ao Rafah iantohana ny fitaterana ireo Palestiniana naratra any amin'ny hopitaly any Ejipta noho ny tsy fahampian'ny fitaovana fitsaboana ilaina ao Gaza.

Amin'ny anaran'ny maha-olombelona sy ny zon'olombelona, ​​mangataka aminao izahay mba hamonjy an'i Gaza amin'ny loza mitatao manoloana ny famonoana olona ataon'ny tafika Israeliana.

Tahyyes manoratra momba ireo fitaovam-pitsaboana ilaina ao Gaza, ho fanomanana ny fandefasana fanafody fanavotana any Palestina. Ny lahatsoratra dia ahitana lisitra feno amin'ireo fitaovam-pitsaboana ilaina hitsaboana ireo sivily izay naratra nandritra ny herinandro teo aloha.

Ho ahy manokana, nangataka tamin'ny mpamakiko aho, alohan'ny zavatra rehetra, mba hahafantatra ny fomba fisainan'ny Israeliana amin'ny famakiana ny bilaogin'izy ireo:

If Arabs are willing to win the case.. then KNOW YOUR ENEMY first!
Read Israeli's blogs and know their lies.. it isn't a hard equation after all..

Raha vonona handresy amin'ny raharaha ny Arabo .. dia FANTARO ALOHA NY FAHAVALONAO!
Vakio ny blaogin'ny Israeliana ary fantaro ny laingan'izy ireo .. tsy asa sarotra izany, na dia izany aza.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.