- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Brezila : Fiaramanidina iray nitondra indiana fito, nanjavona any anaty ala Amazon, fa tsy misy miresaka izany na iray aza

Sokajy: Amerika Latina, Brezila, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Teratany, Voina, Zon'olombelona

Ny faritra nanjavonan'ilay fiaramanidina, tao Amapá, avaratr'i Brezila | Sarintany/Google Maps

Ny 2 Desambra ny fiaramanidina kely iray [1] no niainga avy ao Matawaré, tanàna kely ao afovoan'ny ala Amazoniàna ao amin'ny fanjakan'i Amapà, avaratr'i Brezila. Toa anatiny dia nahitàna ilay ramatoa indiàna avy amin'ny foko  Akuriyó, ny vinantolahiny, ary fianakaviana iray avy amin'ny foko Tiriyó [fr] [2] – profesora iray sy ny vadiny ary ireo zanany telo. Jeziel Barbosa de Moura, 61 taona, efa manana trakefa no sady mahafantatra tsara ny faritra no mpanamory.

Efa mahazatra an'ireo indiàna ao amin'io faritra io ny mandray fiaramanidina avy any amin'ireo vohitra tena mihataka lavitra mba hankanesana ao Laranjal do Jari, ary avy eo indray dia fiara no mitondra azy ireo mandritra ny ora efatra ho any Macapà renivohitra. Hatramin'ny 3000 R$ ( 770 dolara eo ho eo) ny sidina mandritra ny ora iray. Dimy ambiroapolo minitra taorian'ny niaingàny, nilaza tamin'ny fampitampeo [3] i Jeziel fa mila mipetraka maika. Io no fifandraisana farany tamin'ilay fiaramanidina. Araka ny vaovao navoakan'ny tranonkala G1, nanao sidina tsy ara-dalàna izy, no sady tsy nanome ny zotra handehanany.

Tapabolana aty aoriana, ary ora 128 [4] nanaovana fikarohana, nambaran'ny tafika an-habakabaka breziliàna fa hatsahatra ny fikarohana ireo mety ho sisa velona. Fiaramanidina roa sy angidimby iray no nitety faritra mirefy 12.000 km toradroa, mitovy aminà kianja filaovana baolina kitra miisa 12.000. Kanefa, tsy nanamora velively ny fikarohana ny fikitrok'ilay ala virijiny.

Araka ny ambaran'ny Agência Brasil [4], ireo naman'ilay mpanamory sy ireo indiana avy amin'ny foko efatra – Apalai, Akuriyó, Tiriyó ary Waiana – dia manohy amin'ny anaran'ny tenan'izy ireo ny fikarohana ety an-tanety. Ny Fifandraisan'ireo vahoaka sy ireo fikambanana indizeny ao amin'ny fanjakan'i Amapà ary ny avaratr'i Parà dia namoaka taratasy iray nanamelohany ny fanapahankevitry ny tafika an'habakabaka hanatsahatra ny fikarohana.

Ao anatin'io no ampahatsiahivan'ilay vondrona fa efa hatry ny ela be no nisy ny fitakiana hampanarahana fenitra ny toerana fitodiam-piaramanidina any anatin'ireo vondrom-piarahamonina indizeny. Ary tsy manamora mihitsy ny asa fanavotana ny tsy fisian'izy ireny. Mbola araka ny G1 [1] ihany, ambaran'ny ministeram-panjakana federaly fa misy toeram-pitodiana 249 tsy ara-dalàna any anatin'ireo tany indiàna manerana an'i Brezila. Ao Amapà fotsiny, “misy 17 tsy ara-dalàna ampiasaina hitaterana ireo mpiasan'ny fahasalamàna, mpiasan'ny fanabeazana ary ry zareo indiana rahateo”.

Na resahana any anatinà tranonkala vitsivitsy sy gazety vitsivitsy ao amin'ny firenena aza, tsy natao ho lohateny goavana kosa ilay raharaha. Olona valo no nanjavona tao anatin'ilay ala midadasika be indrindra eto amin'izao tontolo izao, ary tsy nahamarika ny fisian'izany akory ny ankamaroan'ny ao amin'ny firenena.

Ny fomba fijerin'ny fianakaviana

Ny vohikalam-baovao G1, izay manaraka ity raharaha ity, dia niresaka tamin'ny fianakavian'ireo indiana sy ilay mpanamory. Izy ireo dia samy milaza “ketraka” ary miandry ny hanampian'ny tafika hikaroka ireo tsy hita ao anatin'ilay ala virijiny. Mitombo ny ahiahy, satria hazakazaka manenjika ny famantaranora ilay fikarohana.

Flávia Moura, zanakavavin'ilay mpanamory, mitantara hoe [5]:

Meu pai conhece a região, já voa há bastante tempo, então a gente sabe que ele deu o jeito dele de pousar em algum lugar, só que na selva é difícil encontrar. A gente sabe a dificuldade no resgate aéreo, mas queremos encontrá-lo, por isso a gente reuniu alguns garimpeiros e índios amigos do meu pai, que estão na mata. Só que a gente quer ajuda do Exército que tem preparo pra isso.

Hain'ny raiko tsara iny faritra iny, efa ela izy no nanamory, araka izany fantatra fa nahita fomba hipetrahana any an'anona any izy, afa-tsy ny hoe sarotra hita ao anatin'ilay ala ilay toerana. Haintsika ny fahasarotan'ny fanavotana atao an'habakabaka, saingy tianay ho hita ry zareo, izany no antony niantsoanay ireo  garimpeiros [fr] [6] vitsivitsy sy ireo indiàna naman'i raiko, izay ao an'ala. Tsara ofana ny tafika ary vonona ny hanampy azy izahay.

Sataraki Akuriyó, zanakalahin'ilay vaviantitra isan'ny mpandeha, milaza fa :

Minha mãe não vou ver mais, por isso queria encontrar ao menos o avião ou o corpo falecido. Desde que eles caíram estou sofrendo muito.

Tsy hahita intsony ny reniko aho. Izany no antony itadiavako hahita farafaharatsiny ny fiaramanidina sy ny vatana mangatsiakany. Hatramin'ny nianjeran-dry zareo, toy ny maritiora no fihevitro ahy.

Ny fahanginana

Ny andro nampitsaharana ny fikarohana, ny filoha voafidy Jair Bolsonaro, izay mandray ny asa maha-filohan'i Brezila azy manomboka ny volana Janoary, dia nanambara ny faniriany hamerina ny famaritana ny tahiry indiàna ao Raposa Terra do Sol [fr] [7], mba hahafahana mitrandraka izany “araka ny tokony ho izy” [8].

17 000 km², iainan'ireo vazimba teratany eo amin'ny 17 000 avy aminà foko dimy samihafa – Macuxi [fr] [9], Wapixana, Ingarikó, Taurepang sy Patamona. Mampahatsiahy [10] ihany koa ilay mpisolovava, Lucio Augusto Villela da Costa, fa ilay faritra dia “malaza amin'ny fananany harena mineraly toy ny firaka, diamondra, volamena, niobium, ny viraty, ny kaolin, ny méthyste, ny varahina, ny diatomite, ny barytine, ny molybdène, ny titane ary ny vatosokay, ary tsy adino amin'izany ny maha-tahiry lehibe indrindra faharoa erantany azy amin'ny fanànana oranioma”.

Raha ny filazan'ireo manampahaizana manokana, ny hevitra hitrandraka io tany io dia “tsy mifanaraka amin'ny lalampanorenana” [11]  raha ny lalàna ao Brezila no jerena. Fandaharanasa mifanohitra amin'izay voalaza ao amin'ny Lalampanorenana izay miantoka ny zon'ireo vazimba teratany ho afaka hitahiry ny taniny, ny fomba fiainany ary ny fombandrazany” [12].

Andro visy talohan'izao, ny tranonkala De Olho nos Ruralistas (Arahontsika maso ireo Ruralistes) [13], izay nanaitra mikasika ireo fifandirana momba ny tany sy ny politika ao Brezila , dia nitafa tamin'ilay mpahay momba ny olombelona, Denise Fajardo, mpanadihady avy amin'ny lvontoerana Iepé [14] momba ilay fiaramanidina tsy hita nanjavonana. Aminy, tsy zavatra vaovao ny politika ankehitriny ao Brezila sy ny fomba izay hikarakarana ilay raharaha eo amin'ny sehatry ny fampahalalana ny vaovao :



Não se fala sobre o assunto porque a vida dos indígenas não importa nesse momento, vivemos um período anti-indígena e eles são considerados um obstáculo para o desenvolvimento do país. Podemos traçar paralelos até com os meninos perdidos em uma caverna na Tailândia, que teve mais a atenção da imprensa.

Tsy resahana ny momba izany satria tsy misy olona liana amin'izay fiainan'ny indiàna izany amin'izao fotoana izao. Vanimpotoana manifikifika ireo vazimba teratany izao iainantsika izao. Heverina ho toy  ny sakana amin'ny fampandrosoana ny firenena ry zareo. Hita io rehefa alahatsika amin'ny tantaran'ireo ankizy tafahitsoka tany anaty lavabato tao Thailande ny zavamisy, izay nisarika manontolo ny sain'ny gazety .

Manazava izy, ankoatra izany, hoe zavatra mahazatra ny indiana ny mandao ny vohitra misy azy mba hikarakara ireo olana manokan'ny tenany sy koa noho izy ireo mahatsiaro ho anjorom-bàla any.



O Parque Nacional Montanhas do Tumucumaque é uma pequena área que pertence à eles e foi onde o Estado os colocou, ou melhor, onde o Estado os isolou. A região é de difícil acesso e não se fornecem meios de locomoção a essa população, que fica confinada lá na Aldeia.

Ny Valam-pirenena an-tendrombohitra ao Tumucumaque [fr] [15] dia faritra kely iray izay izy ireo no tompony ary nametrahan'ny Fanjakana an-dry zareo, na raha ny marina, toerana nataon'ny Fanjakana hanokana-monina azy ireo. Tena sarotra ny fidirana ao amin'ilay faritra ary tsy nomena fitaovana ho fivezivezena na iray aza io vahoaka io, izay mijanona ho mihiboka ao amin'ilay vohitra.

Ny tanànan'i Matawaré, izay niaingan'ilay fiaramanidina nanjavona, dia tsy afaka idirana afa-tsy amin'ny alàlan'ny làkana sy fiaramanidina irery ihany [16]. Ny alin'ny 17 Desambra, nisy fiaramanidina iray hafa nitondra indiàna ihany koa tradoza tao Amazonia, tany akaikin'ny faritry ny sisintany peroviàna. Avotry ny tafika an-habakabaka [17] ireo olona telo tamin'izany.