- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ejypta: Tantaram-pivarotana iray

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Ejipta, Hevitra, Mediam-bahoaka, Tanora

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Desambra 2007)

Najanon'ny bilaogy iray aho androany ary voasarika avy hatrany tamin'ny fomba namaritan'i “Tak Hank [1]” (Ar) ny fizotran'ny fiainana amin'ny alàlan'ny tantarana fivarotana kely ao amin'ny faritra misy azy.

هناك بعض المحلات التي يبدو أن لعنة ما حلت بها جاعلة منها محلات خاسرة تدفع بملاكها إلى الإفلاس. خطرت على بالي هذه الفكرة وأنا أتأمل محلاً بجوار منزلي مر برحلة طويلة تعاقب فيها عليه الملاك والمستأجرون وتم فيها تغيير النشاط ونوعية السلع المعروضة مرات عديدة.

Misy fivarotana sasany izay toa voaozona, manery ny tompony ho bankirompitra. Nahatsikaritra izany aho rehefa nijery trano fivarotana iray teo akaikin'ny tranoko izay tsy nitsahatra niova tompon-trano sy mpanofa, ary koa zavatra atao sy karazana entana namidy imbetsaka.

أول ذكرى عندي لهذا المحل تعود إلى طفولتي عندما كان محل خردواتي تقليدي أشتري منه بعض الالعاب البسيطة أو الحلويات، وفي مرة أردت شراء سيف بلاستيكي لعبة لأحمله أثناء أدائي لدور صغير في مسرحية مدرسية تاريخية( لا زلت أذكر العبارة الوحيدة التي كنت سأقولها والتي تدربت مراراً على قولها: أهذا جزائي أني أنقذتك من القتل!). ذهبت إلى البائع العجوز وطلبت منه بكل أدب سيفاً لعبة، لأفاجئ به ينفجر غاضبا كعادة العجائز نافذي الصبر. أخذ البائع يصيح لاعنا الأيام السوداء التي يعيشها، ويتحسر على الذي حدث للبلد وللناس حتى يأتي طفل ليطلب شراء سيف ، ويرتكب شاب جريمة فظيعة، متوقعا أن القيامة ستقوم قريبا داعيا الله أن يأخذه حتى لا يرى ما الذي سيحدث أكثر من ذلك. عجزت عن الرد طبعا وعدت إلى البيت حزينا، لأؤدي دوري في المسرحية ولأقول “أهذا جزائي أني أنقذتك من القتل” دون سيف أتمنطق به. كان حينا وقتها قد روع بجريمة قتل بشعة ارتكبها شاب ضد زوجة والده ، ويبدو ان البائع قد ربط بين الجريمة وبين ميول إجرامية عنيفة ظهرت في المجتمع حتى لتدفع طفلا بريئاً لطلب سيف للعب به. أحب أحياناً أن أفكر أن اللعنة التي أصابت ذلك المحل قد بدأت في تلك اللحظة التي صرخ فيها البائع في وجه ذلك الطفل كاسراً قلبه حارما إياه من متعة قول “أهذ جزائي أني أنقذتك من القتل” بطريقة مناسبة.

Tamin'ny fahazazako no fahatsiarovako voalohany ity fivarotana manokana ity raha mbola nentim-paharazana kely izany, izay ahafahanao mividy kilalao na vatomamy. Indray mandeha aho te-hividy sabatra plastika hampiasaina amin'ny andraikitro madinika amin'ny lalao ara-tantara izay nandraisako anjara tany am-pianarana (mbola tadidiko foana ny fehezanteny tokana lazaiko sy averimberina imbetsaka hoe: “Izany ve no valisoa azoko tamin'ny fanavotana anao tamin'ny fahafatesana? ! “).
Nankany amin'ilay mpivarotra efa antitra aho ary nangataka azy tamim-pahalalam-pomba mba hanome ahy ilay sabatra plastika; Gaga aho fa tena tezitra mafy izy. Nitabataba sy nanozona ny andro iainantsika izy, manenina ny zava-nitranga tamin'ny firenena sy ny vahoakany; raha misy zazalahy tonga mitady sabatra, ary misy zatovolahy iray manao heloka bevava mahatsiravina. avy eo nanomboka nivavaka izy ary nangataka tamin'Andriamanitra mba haka azy mba tsy hahitany izay zavatra mety hitranga amin'ny andro ho avy.
Tsy afaka namaly aho mazava ho azy, ary nalahelo niverina tany an-tranoko. Tsy maintsy hiteny aho hoe: “Izany ve no valisoa azoko tamin'ny fanavotana anao ry fahafatesana? ! “) tsy misy sabatra plastika. Tamin'izany fotoana izany dia nisy tantara heloka bevava nampatahotra ny rehetra, raha namono ny rafozam-baviny ny tovolahy iray, ary toa nampifandray io heloka bevava io sy ny firoborobon'ny heloka bevava niseho tao amin'ny vondrom-piarahamonina ilay mpivarotra, manery zaza tsy manan-tsiny iray hangataka sabatra plastika holalaovina.
Indraindray tiako ny mieritreritra fa ny ozona izay namely an'io fivarotana io dia nanomboka tamin'izay fotoana izay rehefa niantsoantso nanoloana ity zaza ity ilay mpivarotra, nandratra ny fony ary nanakana ny fifaliany tsy hilaza hoe: “Izany ve no valisoa azoko tamin'ny fanavotana anao ry fahafatesana? tamin'ny fomba araka ny tokony izy.

الذكرى التالية هي للمحل عندما أصبح محلاً لبيع شرائط الكاسيت، اشتريت منه شريط الفرحة لمحمد منير، وهو شريط رديء جداً على فكرة. بعدها بدأ المحل مرحلة التغيير السريع للأنشطة والملاك والمستأجرين، فقرر أن يجاري الموجة الرائجة في المحلات دون مخاطرة ليصبح محلاً لبيع الدباديب والتذكارات، لكن فشله على الرغم من نجاح أقرانه دفعه إلى أن يجرب أكثر مشروع مضمون لمحل في نفس وضعه وهو أن يبيع الموبايلات واكسسواراتها وكروت الشحن..الخ، لكن تلك المحاولة فشلت دافعة به إلى اكتئاب جسيم -فترة إغلاق- خرج منه بعزيمة قوية وببائع ملتح يبيع البخور والعطور والشرائط الدينية ، لكن التزام المحل الديني لم يكن كافيا للتغلب على النحس، فشل المشروع وأغلق لفترة، وعلى بعد خطوات منه جلس البائع الملتح يبيع بنجاح نفس بضاعته من العطور والبخور خلف طاولة صغيرة نصبها في مدخل عمارة ، ولا زال يواصل تجارته حتى اليوم. عجز المحل عن مواجهة هزيمته أمام مدخل العمارة وظل مغلقا لفترة طويلة، لكن حلاوة الروح جعلته يحاول التحول لمحل لبيع الأحذية ، فعندما مررت بجواره منذ شهرين وجدت بائعا يرص الأحذية في الفاترينة. لكن ككل حلاوة روح كانت مجرد ارتعاشات قلب يحتضر، فشل المشروع قبل أن يبدأ، فلم يتم افتتاح المحل كمحل أحذية واختفت الأحذية من الفاترينة، ولا يزال المحل مغلقاً حتى اليوم.

Ny fahatsiarovako manaraka an'ity fivarotana ity dia tamin'izy lasa fivarotana kasety. Nividy kasety antsoina hoe “El Farha” ho an'i Mohamed Mounir aho (tena kasety ratsy be ilay izy). Avy eo nanomboka ny dingana amin'ny fiovàovàna asam-barotra, tompon-trano, ary mpitazona azy haingana. Noho izany dia nanapa-kevitra hanaraka ny fironana amin'izao fotoana izao izany ary nanomboka nivarotra “nounours”, saingy tsy nahomby na dia teo aza ny fahombiazan'ny mpifaninana taminy. Safidy “azo antoka” kokoa ho an'ny fivarotana ny mivarotra kojakoja finday, karatra famahana finday .. sns. Fa na dia tsy nahomby aza izany andrana izany, nitondra azy tamin'ny fahaketrahana lehibe (fikatonana ela be). Lehilahy be volombava iray indray no nanomboka nivarotra ranomanitra, kasety ara-pivavahana, saingy tsy ampy ny ezaka ara-pinoana mba handresy ny zava-misy sy ny tsy fahombiazan'ilay tetikasa izay niafara tamin'ny fikatonana maharitra indray. Na izany aza, miala kely tsy lavitry ny toeram-pivarotana, nanomboka nivarotra ireo entana ireo izany ilay lehilahy be volombava, izay mahomby hatramin'izao, fivarotana misy latabatra kely eo amin'ny fidiran'ny trano.
Nikatona nandritra ny fotoana lavalava ilay fivarotana, nefa teo ny fikirizana hanandrana hivarotra kiraro! Rehefa nandalo teo aho roa volana lasa izay dia nahita lehilahy iray nametraka kiraro teo amin'ny fitaratra fivarotana. Mbola tsy nahomby indray ilay tetikasa vaovao alohan'ny nanombohan'izany ary tsy nisokatra mihitsy ilay fivarotana kiraro. Nanjavona teo amin'ny fitaratra ireo kiraro .. ary hatramin'izao dia mbola mikatona ilay fivarotana.