- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ejypta: Fihaonambe ara-pinoana sy ny fifandraisana Arabo-Isiraeliana

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Arabia Saodita, Ejipta, Israely, Libia, Ady & Fifandirana, Fampandrosoana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Fivavahana, Mediam-bahoaka

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Novambra 2008)

Sambany nipetraka tamin'ny efitrano iray niaraka tamin'ireo mpitondra ara-politika Israeliana ny mpanjaka Saodiana Abdullah, nandritra ny fihaonambe “ara-pinoana” [1] karakarain'ny Firenena Mikambana [1], natao tao New York, Etazonia.

Manoratra ao amin'ny Arabic Media Shack, manasongadina [2] ireo fanehoan-kevitra avy amin'ny gazety Ejiptiana vitsivitsy momba ny fiantraikan'ity  fivoriana manan-tantara ity eo amin'ny dingana fandriampahalemana Arabo-Israely i Rob.

Ao amin'ny bilaogy i Rob, izay manoritsoritra ny tenany ho toy ny habaka tsy miandany, ary mamakafaka ny olana politika, stratejika ary ny filaminana ao Afovoany Atsinanana, nilaza hoe:

Fahmy Huwedi and Tariq Al-Bashri, top Egyptian commentators, have scathing columns in today’s Al-Dostor, criticizing the King for refusing to bring up violence in Gaza while handing the Israelis a major PR victory. Bashri goes as far to say that the King sitting in the same room as Peres is no less significant as Sadat visiting Jerusalem in 1977. However, he then goes on to undermine the credibility of his argument by saying that the US and Israel are behind attempts to instigate Sunni-Shia conflict in order to create a new enemy or distraction for the Arabs, so that they no longer focus on Israel. He compares this to how the US allegedly instigated conflict between Libya and Egypt following the Camp David treaty, creating a “new enemy” for the Egyptians other than Israel. How can the US can be blamed for instigating Sunni-Shia strife when the top Sunni scholars, such as Yusuf Al-Qaradawi, have been the most vocal in their anti-Shia rhetoric.

Nanoratra lahatsoratra masiaka tao amin'ny Al-Dostor androany i Fahmy Huwedi sy Tariq Al-Bashri, Ejiptiana mpaneho hevitra malaza, nitsikera ny Mpanjaka noho ny fandavany fa tsy izy no nahatonga ny herisetra tao Gaza raha manome fandresena lehibe ara-tseraseram-bahaoka ho an'i Israely. Lasa lavitra mihitsy i Bashri milaza fa tsy misy dikany loatra ny fipetrahan'ny mpanjaka ao amin'ny efitrano misy an'i Peres, izay tahaka an'i Sadat nitsidika an'i Jerosalema tamin'ny taona 1977. Avy eo anefa dia nosimbainy ny fitokisana ny heviny tamin'ny filazany fa i Etazonia sy i Isiraely no ao ambadiky ny andrana hampisy fifandonana eo amin'ny Sonita-Shiita mba hamoronana fahavalo vaovao na fisarihan-tsaina vaovao ho an'ny Arabo, ka tsy hifantohan'izy ireo intsony amin'i Isiraely. Mampitaha izany amin'ny hoe ahoana no fomba nitarihan'i Etazonia ny fifandonana eo amin'i Lybia sy Ejipta taorian'ny fifanarahana Camp David, ka namorona “fahavalo vaovao” ho an'ny Ejiptiana hafa ankoatra an'i Isiraely. Ahoana no ahafahana manome tsiny an'i Etazonia noho ny fitarihana ady eo amin'ny Sonita-Shiita raha toa ka ireo manam-pahaizana Sonita ambony, toa an'i Yusuf Al-Qaradawi, no tena feo malaza indrindra amin'ny kabary mankahala Shiita.