- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Serbia: Belgrade ho an'ny Monopoly

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Serbia, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Zavakanto & Kolontsaina

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Febroary 2008)

Iray amin'ireo kilalao lalaovina amin'ny boritra malaza indrindra eran-tany ny Monopoly [1], ary misy fifidianana ireo [2]tanàna 24 izay ampidirina anatin'ny Fanontana Manerantany an'ity kilalao ity mandeha amin'izao. Nikarakara hetsipanentanana ireo bilaogera Serba mba hanampiana ny renivohiny, Belgrade, hahazo toerana iray anatin'ny lisitry ny Monopoly.

Ny 13 Febroary, niantso [3] ireo namany bilaogera ao amin'ny B92Belius mba hanohana ny fanendrena an'i Belgrade:

Ry bilaogera malala,

Tsy ampy herinandro akory, niala tany amin'ny laharana faha-24 i Belgrade ary tafiakatra ho faha-10 tanatin'ny lisitry ny Monopoly ahitàna ireo tanàna mifaninana hiditra anatin'ny Fanontana Manerantany.

Isaorana ireo olona nikiry nifidy isan'andro tamin'iny herinandro lasa iny, lasa alohan'ireo tanàna toa an'i Amsterdam, Atena, Tokyo, Toronto, Barselona ary Kiev i Belgrade amin'izao.

Angamba tsara kokoa ny miteny fa i Montreal, Paris, Cape Town, Londona, Sydney, New York, Jerosalema, Riga ary Roma sisa no eo alohan'i Belgrade.

[Ny 14 Febroary, iray andro monja taorian'izay, nandroso ho laharana faha-5 i Belgrade.]

Haingana dia niparitaka ny vaovao momba ny mety hisafidianana an'i Belgrade ho isan'ireo tanàna 22 ao anatin'ny Fanontana Manerantany.

I Latvia/Riga irery no mpifaninana mitovy hafainganam-pamindra toa azy. Anatin'io firenena io, misy hetsipanentanana voarindra goavana miaraka amin'ny fananampian'ireo fitaovana fanapariaham-baovao maro.

Manantena aho fa hanohana an'i Belgrade ihany koa ny haino amanjerintsika. Ny 28 Febroary no fotoana farany ahafahana mifidy.

Lasa mpifaninana amintsika koa i Novi Sad, ao amin'ny lisitra fanampin'ny Monopoly. Koa satria 24 no isan'ireo toerana, hisy tanàna roa hafa hotsongaina avy amin'io lisitra io. Hanomboka ny 29 Febroary ny fifidianana ireo tanàna roa fanampiny ireo.

[…]

Tena zava-dehibe ny fisafidianana an'i Belgrade, koa mandefa ity fanasàna ity aminareo aho mba hanohy ny hetsipanentanana ho an'ireo andro vitsivitsy manaraka. […]

Maneho hevitra i Milos33:

[…] Manaja an'ity lahatsoratra ity aho… Nifidy isanandro aho tanatin'ireo andro vitsy lasa ary hifidy mandra-pahatapitry ny fifidianana… […]