- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Escola sem partido : volavolan-dalàna hanao “hazalambo” ireo mpampianatra ao Brezila

Sokajy: Amerika Latina, Brezila, Fahalalahàna miteny, Fanabeazana, Fifidianana, Lalàna, Mediam-bahoaka, Politika, Zon'olombelona

Mpanao fihetsiketsehana manohana ny tetikasa Sekoly tsy misy antoko (Escola sem Partido) mandritra ny fivoriana manokan'ny parlemantera misahana ny raharaha. | Saripika: Marcelo Camargo/Agência Brasil.

Hatramin'ny nisian'ny fifidianana, mbola mihotakotaka ny endrika politika breziliana. Ankoatra ny fandrahonana mitambesatra amin'ny zo hanao fihetsiketsehana [fr] [1] any amin'ny oniversite, dia mbola manaraka amim-pahavitrihana ny tetikasa Escola Sem Partido (Sekoly tsy misy antoko)  [2]izay mety hametraka amin'ny fomba ofisialy ny “hazalambo” ikendrena ireo profesora ny firenena.

Araka ny mpiaro azy, io tetikasa io no hamarana ny “fanasana atidoha [3]” ataon'ny mpampianatra lazaina ho avy amin'ny “ankavia” amin'ny mpianatra. Tao amin'ny lahatsoratra iray nivoaka [4] tao amin'ny tranonkala antsoina ihany koa hoe “Escola Sem Partido”, manampy kokoa ny fomba fijerin'ny vondrona ny fanazavana nomen'ny iray amin'ny mpanoratra ny volavolan-dalàna :

A coloração marxista de nosso ensino hoje está infiltrada em todas as disciplinas. Em recente prova de matemática, de uma escola religiosa particular em Brasilia, a tarefa envolvia o cálculo de crianças mortas de inanição, por hora, no mundo. Nas entrelinhas uma condenação ao sistema capitalista.

Mahahenika ny taranja rehetra amin'ny fanabeazana aty amintsika ny loko marxista. Vao haingana teo nandritra ny fanadinana matematika tao amin'ny sekolim-pivavahana tsy miankina iray ao Brasilia, tsy maintsy nokajiana (nisaina) ny isan'ny ankizy matin'ny hanoanana isan'ora manerana izao tontolo izao. Fanamelohana amin'ny fomba ankolaka ny rafitra kapitalista.

Fitsapan-kevitra iray notontosain'ny BBC Brasil [5], tamin'ny fanombohan'ny volana novambra, no mampiseho fa na dia mbola tsy nolaniana aza, dia efa niantraika sahady tany amin'ny fiainana andavanandron'ny lakilasy rehetra manerana ny firenena izany.

Mihevitra ny mpanohana azy fa tsy tokony hiteny ankoatra ny lohahevitra efa neken'ny fianakaviana mialoha ny mpampianatra. Raha ampiharina izany dia lasa mandrara ny lesona fanabeazana ara-pananahana [6] na ny fanehoan-kevitra momba ny fanandevozana [7].

Lalàna fanampenam-bava = Escola Sem Partido

— Mpanao gazety afaka

Mbola eo am-pandinihana ao amin'ny kongesy nasionaly ity lalàna federaly izay ahafahana mampihatra ny Escola Sem Partido manerana ny firenena ity, na dia mbola nahemotra [11] aza ny fandaniana azy. Ankoatra izay, mbola nampafana kokoa ny adihevitra ny toe-javatra iray nitranga tamin'ny fiandohan'ny volana novambra, ny raharaha depiote federaly [fr] [12], Ana Carolina Campagnolo, mpiray antoko amin'i Jair Bolsonaro.

Ny antsoin'ny depiote

Ny ampitson'ny fifidianana, tamin'ny 29 oktobra, namoaka nomerao WhatsApp iray tao amin'ny tambajotra sosialy i Campagnolo, miantso ny mpianatra ao amin'ny fanjakana Santa Catarina nifidianana azy, hiampanga “ireo mpampianatra ideolojika” mitsikera an'i Bolsonaro.

Afisim-panentanana fiampangana nataon'i Ana Caroline Campagnolo. Pikantsarin'ny  @Escolasempartid, 29 oktobra 2018.

Io Ana Carolina, mpampianatra tantara io ihany anefa no nampangain'ny mpianatra iray taloha izay namoaka ny sariny manao t-shirt misy ny sarin'ny filoha voafidy, ao am-pianarana ary teo anoloan'ny mpianany.

Indro i ana campagnolo, mpampianatra ahy taloha izay efa depiote federaly amin'izao fotoana izao ary manohana ny fanentanana “escola sem partido”. Tsaroanao, profesora ana, ny andro nahatongavanao tao am-pianarana amin'ny t-shirt misy an'i Bolsonaro ?? Fa izaho, eny ! Ary manampy izany, fandravahana azy tsara, miara-maka sary amin'ny mpianatra, tss, tss…

Vao hita izany toe-javatra izany dia nisy vondrona mpampianatra nanomboka fanentanana [15] hanoherana ilay depiote. Vokatr'izany ny fampanoavana tao Santa Catarina nanameloka ny depiote handoa onitra 70 000 R$ noho ny fahavoazana ikambanana ara-maoraly, araka ny nolazain'ny gazety O Estado de São Paulo [16]. Ankoatra izany, nihevitra ny fitsarana [17] fa tokony hofafany ny hafatra mandrisika ny “fiampangana” amin'ny tambajotra sosialy rehetra.

Volana vitsivitsy lasa izay, resy teo amin'ny fitsarana i [18] Ana Carolina raha nitory ny profesora Marlene Fáveri, avy ao amin'ny Oniversitem-panjakana an'i Santa Catarina. Araka ny filazany, nolazainy ho tratran'ny fanilikilihana izy [19] noho ny heviny “antifeminista” sy “kristiana”. Notsoahina ny fitoriana noho ny tsy fahampian'ny porofo.

Escola Sem Partido, inona moa izany ?

Tsy vaovao ny tsirinkevitry ny volavolandalàna [20]. Ny mpanorina sady mpitarika azy, ny mpisolovava Miguel Nagib, no nanolotra “lalàna iadiana amin'ny fihoaram-pefin'ny fahalalahana hampianatra”.

Amin'ny ankapobeny ny volavolan-dalàna dia miresaka ireo lohahevitra mifandraika amin'ny fanabeazana ara-pananahana, ka mandrara ny fampiasana ireo voambolana “genre” [lahy/vavy] na ny fomba fitenenana “fironana ara-pananahana”, izany tondrozotra izany moa efa notovanana tao amin'ny lahatsoratra iray vao haingana kokoa. Ny fandraràna hafa dia mihatra amin'ny politika sy ny zavanisy ara-tantara, indrindra ny amin'izay lazaina fa “fanasana atidoha ataon'ny [elatra] havia”.

Araka ny fanadihadiana nataon'ny gazety Folha de São Paulo [21], na ny Escola Sem Partido na ny lazaina ho “ideolojian'ny genre [lahy/vavy]” dia nifototra avy amin'ny fivavahana ary tsy i Brezila ihany no sahanin'izany.

Há iniciativas em ao menos 50 países, dos EUA à França, em consonância com agendas religiosas como a oposição ao aborto, ao casamento homossexual e a um suposto risco de destruição da família.

Farafahakeliny firenena 50, hatrany Etazonia ka hatrany Frantsa, fisantarana andraikitra mifampirindra tsara amin'ny hetsika ara-pivavahana tahaka ny fanoherana ny fanalan-jaza, ny mariazin'ny pelaka ary ny lazaina ho mety ho fahapotehan'ny fianakaviana.

Iray amin'ny fitaovam-pandresendahatra lehibe nentin'i Bolsonaro nandritra ny taona maro io tolokevitra io. Vitany hatrany amin'ny famoahana ao amin'ny tambajotra sosialy [22] ny maodelin'ny “kopia ivelan'ny fitsarana” ahafahan'ny fianakaviana miampanga ireo mpampianatra. Tsy hitany anefa izay olana raha nahita tao amin'ny sekoly miaramilam-panjakana ao Manaus voarakitra tamin'ny taona 2017 ny lahatsarin'ny mpianatra miantso ny “arahaba amin'ny firenena [23]” izy.

Ny fiantraika Bolsonaro

Dimy andro taorian'ny fifidianana, tamin'ny fanolorana ireo praiminisitry ny governemantany, nanambara i Bolsonaro tao amin'ny kaontiny Twitter fa “teo ambany ziogan'ny ideolojia manimba ireo toeram-piorenana fampianarana”.

Nandritra ny fotoana ela dia ela ny toeram-piorenana fampianarana no teo ambany ziogan'ny ideolojia manimba sy ny fivadihan'ny soatoavina, avy amin'ny olona tsy tia ny lokontsika sy ny hiram-pirenentsika. Tsy misy idiran'ny politika ny fananganana ny sainam-pirenena breziliana, fa mifandray amin'ny fihamboana ho breziliana sy ny fanantenana hisian'ny fiainana tsara kokoa.

Na dia manonona ny marxisma hatrany aza izy rehefa milaza ny tetikasany, dia tsy namaritra mihitsy izany i Bolsonaro. Tao amin'ny sioka iray tamin'ny taona 2016 [25], ohatra, ampangainy ny “fanasana atidoha ideolojika” ataon'ny mpampianatra izay tsy milaza mazava fa i Adolf Hitler (1889-1945) sy ny nazisma dia “sosialista”. Teoria iray izany neken'ny Breziliana tanteraka tamin'ity taona ity [fr] [26].

Mety hampanahy tanteraka izany fanakanana ny mpampianatra hiasa am-pahamalinana na fanakanana resaka fananahana izany eo amin'ny zavamisy breziliana. Amin'izao fotoana izao i Brezila no mitazona ny tompondaka [27] ary mbola miakatra ny [28] isan'ny herisetra mihatra amin'ny olona LGBTQ. Voarakitra ihany koa fa mihoatra noho ny salanisa ankapobeny ny isan'ny ankizivavy bevohoka [29] ao Brezila raha oharina amin'ny ao Amerika Latina manontolo (zazavavy adolantsento 68,4 isaky ny arivo no bevohoka) ary mitombo be ihany koa ny isan'ny [30] tanora manomboka 15 ka hatramin'ny 24 taona ifindran'ny viriosy VIH.

Farany, araka ny nolazain'ny mpahay tantara Leandro Karnal [31], izay iezahan'ny mpiaro ny Escola Sem Partido porofoina ihany koa dia ny hoe “politika daholo izay fanehoan-kevitra rehetra, tafiditra amin'izany [izay tafiditra ao amin'io volavolan-dalàna io]”.

Eu gostaria de uma escola que suscitasse o debate. Eu gostaria de uma escola que colocasse para o aluno, no século XIX, um texto de Stuart Mill falando do indivíduo, da liberdade de mercado, ao lado de um texto de Marx. E que o aluno debatesse os dois textos. Se o professor for militante de um partido de esquerda? Isso não é ruim, faz parte do processo. A demonização da política é a pior herança da ditadura militar, que além de matar seres humanos, provocou na educação um dano que vai se arrastar por mais algumas décadas.

Tiako ny sekoly hanangana adihevitra. Tiako izay sekoly hanolotra amin'ny mpianatra, momba ny taonjato faha-XIX°, lahatsoratr'i Stuart Mill iray miresaka ny olona iray, ny fahalalahan'ny tsena, eo ankilan'ny lahatsoratr'i Marx. Ary hiresaka momba ny lahatsoratra ny mpianatra iray. Mpikatroky ny antoko ankavia ny mpampianatra ? Tsy olana loatra izany, ao anatin'ny fizotran-draharaha izany. Ny fanaratsiana izaitratra ny politika no lova ratsy indrindra navelan'ny jadona miaramila izay, ankoatra ny famonoana olombelona, dia niteraka fahasimbana tamin'ny fanabeazana izay mbola hotaritarihantsika hatrany mandritra ny taona maro.

Naotin'ny tonia :  taorian'ny fanemorana maromaro, nanapakevitra ny filohan'ny vaomiera manokana ao amin'ny Parlemanta, Marcos Rogério (DEM) [fr] [32], ny hampirina ny volavolan-dalàna Escola sem Partido. Hifarana amin'ity taona 2019 ity ny fotoam-piasan'ny ao amin'ny andrimpanjakana mpanao lalàna. Mety hisy noho izany ny famelomana indray ny adihevitra momba ity lohahevitra ity. 

Nahitsin'i Nina Jacomini [33]