- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Olana manokan'ireo vehivavy ao Gresy ny fanorisorenana ara-nofo

Sokajy: Eoropa Andrefana, Gresy, Hevitra, Mediam-bahoaka, Tanora, Vehivavy sy Miralenta
[1]

Sary : Pixabay. CC0 Creative Commons.

Raha tsy misy fanamarihana manokana dia mitondra ho aminà pejy grika daholo ny rohy ato anaty lahatsoratra.

Tamin'ny Jona lasa teo, nirefotra ny adihevitra mivaivay tety anaty tambajotra sosialy rehefa nisy ankizivavy mpianatra nilaza fa nisy pretra nanorisory azy tamin'ny resaka ara-nofo tany anaty fiara fitaterana iraisana, tao amin'ny tanàna grika Thessalonique [fr] [2]. Ao amin'izay nosoratany tao amin'ny Facebook [3], izay lasa niely patrana, dia nisy mpandeha iray nanamafy ary nandefa sarin'ny zavanisy. Marobe ireo olona nandefa hafatra fankaherezana, raha ny hafa indray kosa niampanga ilay ankizivavy mpianatra ho namorona ilay tantara sy nandefa sary sandoka mba “hisarihana ny sain'ny olona sy hitadiavana laza”.

Na dia nandefa fandalinana [4] aza ny tranonkala Hellenic Hoaxes taty aoriana kely mba ho fanamarinana ny maha-tena izy ireo sary sy ny zavanisy, mitondra mankany aminà olana iray midadasika be momba ny sotasota ara-nofo atao amin'ireo vehivavy ao anatin'ny fiarahamonna grika ny tsy fahatokisana avy hatrany nasehon'ny olona tamin'ny fanambarana nataon'ilay ankizivavy mpianatra.

“Tantaranà fiarahamonina iray mpanambany vehivavy” [3]

Tsy voafetra fotsiny ho amin'ireo vehivavy ny tantaranà sotasota ara-nofo, fa manjo ihany koa ireo zazalahy tsy ampy taona, toy ilay raharahanà pretra iray tao amin'ny tambajotra sosialy nandefa votoaty vetaveta [en] [5] tany aminà ankizilahy iray efatra ambinifolo taona, na ilay ampahany iray nanafintohina ihany koa momba ny fanararaotana ara-nofo sy ara-tsaina [6] nataonà talen'ny kilasimandry iray tamin'ireo ankizy manankilema tao Pirée [fr] [7].

Niteraka adihevitra tety anaty aterineto ny tranga nisy tao Thessalonique, momba ny toetsain'ny fiarahamonina nanatsiny ilay niharan-doza, indrindra fa hoe vehivavy izy. Marobe ny olona nihevitra hoe ny ankamaroan'ireo fanakianana ilay ankizivavy dia tsy vokatry ny fisainana voalanjalanja fa avy amin'ny fitsaratsaràna maika loatra niainga avy amin'ny volony miloko volomparasy sy ny maha-izy azy.

Ny ‘lahatsoratry ny Medium [en] [8], “Ny sotasota ara-nofo ao Gresy : politikan'ny Aotrisy” dia mitrandraka lalindalina kokoa ny fahatetehan'ny fitrangan'io tranga io ao anatin'ny fiarahamonina grika, izay mitondra azy hanoratra hoe :

…when asked about verbal sexual abuse, one woman in Athens commented that “it happens so often that [she] doesn’t even remember any distinctive incident” to tell us.

… rehefa nanontaniana azy ny momba ny sotasota atao amin'ny alàlan'ny teny, naneho hevitra ilay vehivavy tao Athènes hoe “tena matetika mihitsy izany no mitranga ka tsy tsaroan(y) intsony hoe ny tranga toy inona no niavaka” azo hotantaraina aminay.

Araka ny ambaran'ny ivontoerna eoropeana momba ny fitoviana eo amin'ny lahy sy vavy(EIGE) [en] [9], nisy 234 ireo ftoriana fanolanana na fikasàna hanolana tamin'ny 2013. Ireo valin'ny fanadihadiana tamin'ny 2014 nataon'ny Masoivoho Eoropeàna momba ny zo fototra dia mampiseho fa iray amin'ny vehivavy efatra ao Gresy no niharan'ny herisetra ara-batana sy/na ara-nofo nanomboka teo amin'ny faha-15 taonany, ary 25% amin'ny olona ao Gresy no mahafantatra vehivavy iray eo amin'ny manodidina azy niharan'ny herisetra an-tokantrano.

Tamin'ny 2006, navoakan'i Gresy ny lalàna 3500/2006 [en] [10] mba “hiadiana amin'ny herisetra an-tokantrano”, lalàna mamadika io karazana herisetra io ho toy ny heloka bevava, ao anatin'izany ny fanolanana ataon'ny vady. Kanefa, ny Martsa 2017, navoakan'ny Guardian [en] [11] ny lahatsoratra iray nampibaribary ny tatitra iray avy amin'ny Equality Now [en] [12] mampiseho fa ao Gresy, toy ny any amin'ireo firenena hafa, amin'ny tranga sasantsasany dia afaka ny tsy ho voaheloka ireo nanao herisetra ara-nofo, raha toa “heverina ho mbola kely taona loatra” hanaiky na tsia ny hanao firaisana ara-nofo ilay zazavavy.

Tao anaty antsafa iray tamin'ny 2016 [en] [13], ramatoa sekretera jeneraly grika momba ny fitovian'ny lahy sy ny vavy, Fotini Kouvela, dia niaiky fa mbola lavitra ny làlana hizoran'ny firenena raha herisetra manjo ny vehivavy no resahana :

Greek society, despite the important steps forward in recent years, remains mainly patriarchal. The mentality is still determined by stereotypes relating to traditional gender roles. The women-victims of violence are often accused by the social environment whereas the actions of the abuser are often justified.

Na nisy aza ireo ezaka goavana vita tato anatin'ny taona vitsivitsy, mbola fiarahamonina anjakan'ny lehilahy hatrany ny fiarahamonina grika. Ny toetsaina dia mbola mifototra foana amin'ireo fitsaratsaram-poana mifamatotra amin'ny anjara toerana nofaritan'ny nentindrazana. Matetika ireo vehivavy niharan'ny herisetra no ampangain'ny tontolo sosialy ary mazàna hamariinina kosa ny fihetsika nataon'ireo nanao herisetra.

Mandritra izany fotoana izany, ny sasany amin'ireo mpampiasa tambajotra sosialy, toa an'i Elena Milioti ao amin'ny Facebook, mamaly ireo fanavakavahana ara-pananahana nihatra tamin'ny vehivavy, amin'ny fomba feno eso marikivy:

Οδηγός καταγγελίας σεξουαλικής παρενόχλησης:

1)Μην καταγγείλετε σεξουαλική παρενοχληση απο πρώην ή νυν ερωτικο σας σύντροφο. Δεν υφίσταται.
2)Μην καταγγείλετε σεξουαλική παρενοχληση αν είστε προκλητικα ντυμενη. Πηγαινατε γυρευοντας.
3)Μην καταγγειλετε σεξουαλικη παρενοχληση αν ειστε σεμνα ντυμενη. Αποκλείεται να καυλωσατε καποιον ντυμενη ετσι.
4)Μην καταγγειλετε σεξουαλικη παρενόχληση αν είστε αδύνατη. Πηγαίνατε γυρευοντας.
5)Μην καταγγειλετε σεξουαλικη παρενοχληση αν δεν ειστε αδυνατη. Οι χοντρες δεν καυλωνουν κανεναν αρα αποκλειεται να σας παρενοχλησε καποιος
6)Μην καταγγείλετε σεξουαλικη παρενοχληση αν δεν το καταγγειλατε απο την πρωτη φορά που σας συνεβη.. Αν σας ενοχλουσε θα το ειχατε καταγγειλει κατευθειαν
7)Μην καταγγειλετε σεξουαλικη παρενοχληση απευθειας. Βιαζεστε. Δωστε του λιγο χρονο
8)Μην καταγγειλετε σεξουαλικη παρενοχληση αν ο θυτης ειναι υπεργηρος. Δεν του σηκωνεται. Αν καταφερατε να του τη σηκωσετε να ειστε περηφανη.
9)Μην καταγγειλετε σεξουαλικη παρενοχληση αν ο θυτης ειναι πολυ νεος. Ειναι μικρος και δεν ξερει. Και ειναι και κριμα να καταστραφει το μελλον του για μια απερισκεψια.
10)Μην καταγγειλετε σεξουαλικη παρενοχληση στο εργασιακο σας περιβαλλον. Με τσιμπουκια την πηρατε τη δουλεια in the first place.
11)Μην καταγγειλετε σεξουαλικη παρενοχληση αν ειστε τουριστρια. Το κανετε για να παρετε επιδομα στη χώρα σας.
12)Μην καταγγειλετε σεξουαλικη παρενοχληση αν δουλευετε στη βιομηχανια του σεξ. Ειστε πουτανα. Hello!????
13)Μην καταγγειλετε σεξουαλικη παρενοχληση αν εχετε σεξουαλικη ζωη γενικοτερα. Και εσεις πουτανες ειστε.
14)Μην καταγγειλετε σεξουαλικη παρενοχληση αν σας συνεβη στο δρομο. Τί κανατε μονη σας στο δρομο;
15)Μην καταγγειλετε σεξουαλικη παρενοχληση σε Τραμ, Μετρο και ΜΜΜ γενικα. Ποιος παρενοχλει μπροστα σε κοσμο;
16)Μην κανετε καταγγελια για σεξουαλικη παρενοχληση σε ερημο σημειο. Τί κανατε εκει μονες;
17)Μην κανετε καταγγελια για σεξουαλικη παρενοχληση αν εχετε αποδεικτικα στοιχεια. Αν ειχατε δεχθει οντως σεξουαλικη παρενοχληση δε θα ειχατε προλαβει να συλλεξετε στοιχεια. Η ψυχραιμια σας ειναι υποπτη.
18)Μην κανετε καταγγελια για σεξουαλικη παρενοχληση αν δεν εχετε στοιχεια. Θα επρεπε να εχετε για να σας πιστεψουμε.
19)Μην κανετε καταγγελια για σεξουαλικη παρενοχληση αν εχετε πιει πανω απο μια μπυρα. Λαθος θυμαστε. Ησασταν καυλωμενη αλλα το ξεχασατε.
20)Μην κανετε καταγγελια για σεξουαλικη παρενοχληση αν ειναι να κανετε καταγγελια για σεξουαλικη παρενοχληση.

Ολες τις αλλες φορες να κανετε. Θα σας πιστεψουν

Torolàlana raha hitaraina fa tratry ny sotasota ara-nofo :

1) Aza mametraka fitarainana noho ny sotasota ara-nofo nataon'ilay olona iarahanao amin'izao fotoana, na fahiny. Tsy misy izany.
2) Aza mametraka fitarainana noho ny sotasota ara-nofo raha manao fitafy manaitaitra ianao. Raharaha notadiavina ny anao.
3) Aza mametraka fitarainana noho ny sotasota ara-nofo raha mitafy maotina ianao. Tsy misy olona ho taitatra aminao raha toy izany no fitafinao.
4) Aza mametraka fitarainana noho ny sotasota ara-nofo raha mahia kaozatra ianao. Raharaha tadiavina ny anao.
5) Aza mametraka fitarainana noho ny sotasota ara-nofo raha tsy mahia kaozatra ianao. Tsy mahataitra olona ireo kabota, noho izany tsy hisy mihitsy ny hoe nisy olona nisotasota ara-nofo anao.
6) Aza mametraka fitarainana noho ny sotasota ara-nofo raha tsy teo noho eo ianao dia nametraka fitoriana. Raha tena nanelingelina anao tokoa ilay izy, avy hatrany ianao dia nametraka fitarainana.
7) Aza avy hatrany dia mametraka fitarainana noho ny sotasota ara-nofo. Maika loatra ianao. Miandrasa kely.
8) Aza mametraka fitarainana noho ny sotasota ara-nofo nataon'olona efa antitra be. Tsy afaka taitairina intsony ny filan'ireny. Raha vitanao ny nanaiaitra azy, afaka mirehareha ianao.
9) Aza mametraka fitarainana noho ny sotasota ara-nofo raha tanora loatra ilay nahavanona azy. Tanora izy ka tsy mahalala na inona na inona. Ary henatra ho anao ny mamotika ny hoaviny noho izay fotoana kely monja tsy nitandremany.

10) Aza mametraka fitarainana noho ny sotasota ara-nofo nanjo anao tao anatin'ny tontolon'ny asa. Na izany na tsy izany, finonoana no nahazoanao ny toeranao.
11) Aza mametraka fitarainana noho ny sotasota ara-nofo raha mpizahatany ianao. Manao izany ianao mba hahazoana onitra amin'ny firenanao.
12) Aza mametraka fitarainana noho ny sotasota ara-nofo raha toa ka asa fampanofàna vatana no sehatra iasanao. Mpampanofa vatana ianao. Saaa !???
13) Aza mametraka fitarainana noho ny sotasota ara-nofo raha amin'ny ankapobeny manao firaisana ara-nofo foana ianao. Mpampanofa vatana ihany koa ianao.
14) Aza mametraka fitarainana noho ny sotasota ara-nofo raha teny an'arabe izany no nitranga. Inona no ataonao eny an'arabe ?
15) Aza mametraka fitarainana noho ny sotasota ara-nofo raha tany anaty tramway ilay izy no nitranga, na tany anaty metro na fitaterana iraisan'ny rehetra. Iza no handeha hisotasota sy hanao herisetra aman'olona eny imasom-bahoaka?
16) Aza mametraka fitarainana noho ny sotasota ara-nofo raha tany an-tany foana no nitranga izany. Inona no nalehanao samirery tany?
17) Aza mametraka fitarainana noho ny sotasota ara-nofo raha manana porofo ianao. Raha tena niharan'ny sotasota ara-nofo tokoa ianao, tsy ho nanana fotoana hanangonana porofo velively ianao. Mampiahiahy ny fitonianao.
18) Aza mametraka fitarainana noho ny sotasota ara-nofo raha toa ianao tsy manana porofo. Ahoana no hinoana anao?
19) Aza mametraka fitarainana noho ny sotasota ara-nofo raha nisotro labiera iray vera na mihoatra ianao. Tsy mahatadidy tsara ianao. Taitaitra ianao saingy tsy tsaroanao.
20) Aza mametraka fitarainana noho ny sotasota ara-nofo raha toa ianao eo an-dàlana hametraka fitoriana noho ny sotasota ara-nofo.

Fa ny sisan'izay, tokony hametrahanao fitarainana avokoa. Hino anao ry zareo.