Sary avy ao Azerbaijan: Mijoro ho amin'ny demaokrasia

(Lahatsoratra tamin'ny novambra 2005)

“Mpanohana an'i Azadliq” avy amin'ny commonroman

Ity sary ity dia mampiseho mpanohana ny sampam-pifidianan'ny mpanohitra ao Azerbajian, Azadliq, (“Fahalalahana”) mijoro eo ivelan'ny iray amin'ireo tranobe, roa andro taorian'ny fifidianana parlemantera tamin'ny faran'ny herinandro. Nomelohin'ireo mpanaramaso sy ny mpanohitra fa feno hosoka ny fifidianana. Efa nanao famoriam-bahoaka iray ireo mpomba ny mpanohitra ary mikarakara hetsika bebe kokoa amin'ny andro ho avy raha miezaka manakana ny korontana kosa ny governemanta amin'ny fanekena sy famahana ireo olana sasany tamin'ny fifidianana. azerbaijan.neweurasia.net mibilaogy momba an'i Azerbaijan irery ihany ary nanaraka akaiky ny vaovao momba ny fifidianana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.