- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nesorina ny Mpanazatra an'i Maraoka taorian'ny Fahareseny tamin'ny Fiadiana ny Tompondakan'i Afrika

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Maraoka, Fanatanjahantena, Mediam-bahoaka, Vaovao Mafana

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Febroary 2008)

Valian'ireo bilaogera Maraokana roa mampiasa ny teny Frantsay, Jamal Hafsi sy i Amazirghblog, ny fanaisorana vao haingana ny mpanazatra ny ekipam-pirenena Maraokana mpilalao baolina kitra, Henri Michel, taorian'ny voka-dalao ratsy nasehon'i Maraoka nandritra ny lalao Fiadiana ny ho Tompondakan'i Afrika. Samy mametraka ny fahadisoana ho an'ny Federasion'ny Baolina Kitran'ny Fanjakana Maraokana izy roa ireo, ary mihevitra fa natao mpisolovaika ny ankalana fotsiny i Michel.

Manoratra [1] i Jamal Hafsi:

La Fédération Royale Marocaine de Football a congédié Henri Michel, le coach de l’équipe nationale.

Après la brève et peu flatteuse prestation de notre onze national à Accra et le tollé général qu’elle a soulevé dans tout le pays, il fallait bien évidemment faire sauter un fusible.

La fédération n’a pas été chercher très loin, et la solution et le fusible. Elle a fait, comme à son habitude, dans le plus simple et a offert la tête du coach.

Congédier Henri Michel peut effectivement faire baisser, pour un moment, la tension née du pitoyable parcours de nos lions au royaume des Ashantis. Elle n’occultera pas pour autant la véritable dimension du désastre dans lequel est empêtré le football national. Maigre consolation!

Auditionné par la commission des affaires sociales et du sport M’hamed Aouzal vice- président de la FRMF et président du GNF a tenté encore une fois de faire jouer les sempiternels faux fuyants et de noyer le poisson. Comme d’habitude…encore une fois.

Henri Michel n’est responsable de cette débâcle qu’à hauteur de ses mauvais choix tactiques pour cette phase finale de la CAN..

La FRMF, elle, est responsable de sa pitoyable gestion du football national depuis des lustres.

Nesorin'ny Federasion'ny Baolina Kitran'ny Fanjakana Maraokana i Henri Michel, ilay mpanazatra ny ekipam-pirenena.

Taorian'ny voka-dalao fohy sady zara raha maha-te hidera nataon'ny iraika ambin'ny folom-pirenentsika tany Accra sy ny hatezerana naterany manerana ny firenena, mazava ho azy fa nilaina ny nitroatra.

Tsy nila nitady lavitra ny federasiona vao nahita ny vahaolana sy ny hatao mpisolovaika ny ankalana. Tahaka ny mahazatra, ny mora indrindra no nataony ary nanolotra ny lohan'ilay mpanazatra.

Mety hanena ny fihenjanana nateraky ny fihodinana mampalahelo nataon'ny Liontsika* tany amin'ny fanjakana Ashanti tokoa ny fandroahana an'i Henri Michel, na dia mandritra ny fotoana voafetra aza. Kanefa, tsy ampy hanakonana ny tena halehiben'ny loza nampisaringotra ny baolina kitram-pirenena izany. Fampiononana manify dia manify!

Rehefa norenesin'ny Kaomision'ny Fanatanjahantena sy ny Raharaha Sosialy i M'hamed Aouzal, lefitry ny filohan'ny FRMF ary filohan'ny GNF, dia mbola niezaka nanao resaka mivoana sy miolakolaka indray ary niezaka namita-bahoaka. Tahaka ny mahazatra…indray.

Mifarana eo amin'ireo paikady ratsy nataony nandritra ny dingana farany tamin'ny CAN ny andraikitr'i Henri Michel…

Ny FRMF [Federasion'ny Baolina Kitran'ny Fanjakana Maraokana] no tompon'andraikitra tamin'ny haratsin'ny fandrindrana ny ekipam-pirenena mpilalao baolina kitra hatramin'ny fandreseny teo aloha.

(*Fantatra amin'ny anarana hoe “Lions de l'Atlas” na ireo “Lion'ny Tendrombohitra Atlas” ny ekipam-pirenena Maraokana mpilalao baolina kitra)

Mitovitovy amin'io ihany koa no nosoratan'i Amazirghblog:

Je trouve l'attitude de la Federation royale marocaine, totalement irresponsable!

Il ne s'agit pas de demettre un coach, mais de revoir tout le fonction de cette institution oculte!

Zaki, tres bon entraineur, en a fait les frais!

Tant qu'on aura les memes (ir)responsables à la tete de cette federation, on ne pourra tenir les coachs comme uniques responsables!

Hitako fa tsy matotra mihitsy ny fihetsiky ny Federasion'ny [Baolina Kitran'ny] Fanjakana Maraokana!

Tsy tokony handroaka mpanazatra ry zareo, fa mamerina mandinika ny asa manontolon'ity andrimpanjakana tsy mazava ity!

Nanonitra ny saran'izany i Zaki, izay mpanazatra tena mahay!

Raha mbola olona tsy matotra no apetratsika eo amin'ny lohan'ity federasiona ity, tsy azontsika tanana ho tompon'andraikitra tokana amin'izany ireo mpanazatra!