- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Songadina ao Goatemalà – sept 2005

Sokajy: Amerika Latina, El Salvador, Goatemalà, Mediam-bahoaka

(Lahatsoratra efa tamin'ny volana Septambra 2005)

Satria miomana amin'ny lalao androany alina [1]ao Guatemala City ny ekipa mpilalao baolina kitra Amerikana sy Goatemalteka, dia toa manomboka mipaka bebe kokoa any amin'ireo mpamaky miteny Anglisy ny vondrona bilaogy Goatemalteka. Ao amin'ny lahatsoratra momba ny fampiroboroboana ny toerana vakoka manerantany ao Goatemala, Guate360 manoratra [2] fa, “tsy vahiny aminay ato amin'ny Guate360 ny mandefa hafatra amin'ny fiteny roa.” Rehefa manao izany izahay, dia atao miaraka amin'ny fahatsapana fa manana mpihaino manerantany izahay. ” Bilaogy Goatemalteka hafa ahitana lahatsoratra amin'ny teny anglisy sy espaniola koa ny Chapinadas [3]. Ny lahatsoratra androany [4] kosa dia mitantara ny tsara sy ratsy amin'ny andian-tantara fahavaratra ho avy Survivor: The Maya Empire, izay manomboka ny 15 septambra ary miandrandra mpijery 20 tapitrisa any Etazonia:

In Guatemala there are a lot of mixed opinions about this topic. On the one hand, you have people glad that this is happening to Guatemala in the hope that our beautiful country gets to the place it deserves with regards to tourism.

On the other hand, there are a lot of people unhappy with the fact that this series is taken place in a Maya city that has not been excavated and investigated properly. There could be a lot of damage to its temples, murals, stelaes, and other things around it. There is also the fact, that in order for this series to be filmed there is a need for a lot of people to be there. Also, another factor is that a lot of trees have been cut to make the sets, and to make room for the filming.

Any Goatemala, marobe ireo hevitra samihafa momba ity lohahevitra ity. Etsy andaniny, mahita vahoaka faly ianao fa mitranga any Goatemala izany ahitana fanantenana fa mankany amin'ny toerana mendrika azy momba ny fizahan-tany ny firenentsika tsara tarehy.

Etsy ankilany, betsaka ny olona tsy faly amin'ny zava-misy fa natao tao amin'ny tanàna Maya ity andian-tantara ity, izay tsy mba nanaovana fikarohana sy tsy nodinihina tsara araka ny tokony ho izy. Mety hisy ny fahasimbana be amin'ny tempoliny, ny hosodoko an-drindrina, ny tsangambatony ary ny zavatra hafa manodidina izany. Misy ihany koa ny zava-misy, fa mba hahazoana maka horonan-tsary ity andian-tantara ity, dia mila olona marobe tonga ao. Ankoatra izay, antony iray hafa ny hoe be dia be ny hazo notapahana mba hanaovana ravaka sy toerana hanaovana ny fakàna sarimihetsika.

Ny tranonkala Survivor.com, na izany aza, dia toa tsy dia liana loatra amin'ny fiantraikan'ny fampisehoana eo amin'ireo Goatemalteka [5] raha ampitahaina amin'ny fanasongadinana ny “hafanana tafahoatra … oram-batravatra sy … karazana zavaboahary manaikitra sy manindrona.”

Miverina ao Guatemala City  [6]i Rob Mercatante, saingy manazava fa, “iray amin'ny antony farany tsy namenoko vaovao momba an'i Goatemala tao amin'ity gazety ity, tahaka ny hafa rehetra manerantany, ny nijery tamin'ny fomba mahatsiravina ireo zava-nitranga maharikoriko niseho tany New Orleans. “

Oscar avy ao amin'ny DesdeGuate.com indray nilaza [7] fa 15 andro monja taorian'ny nanambaran'ny Comcel, mpamatsy onjam-pifandraisana antserasera (Wireless)  mifototra amin'ny EDGE [8] any Goatemala [8]dia nampahafantatra ny tolotrany vaovao 1x-EVDO koa ny mpifaninana aminy, Telefonica, [9] izay ahafahana miditra aterineto any amin'ny faritra lehibe rehetra ao Guatemala City amin'ny vidiny 50 dolara isam-bolana miampy hetra.

Christian Van Der Henst nanamarika fa ho avy ao Quetzaltenango amin'ity herinandro ity ary avy eo ao Antigua ny Alatsinainy manaraka  [10]ny tetikasa EnRed, [11] izay mandrisika ireo mpianatra manerana an'i Goatemala mba hanomboka bilaogy sy hampiasa ny aterineto. Nasain’ [12]ny  elsalvador.com [13] ihany koa i Christian mba hiresaka paikady amin'ny fandaharan'izy ireo vaovao, Operación Red [14], izay mandrisika ny fandraisana anjara nomerika maromaro kokoa ao El Salvador.

Raha toa ka tsy afa-po amin'ny fitadiavanao vaovao momba an'i Goatemala ianao, dia manana angona lahatsoratra tamin'ny herinandro lasa [15] avy amin'ny fiarahamonina famahanam-bilaogy ny Guate360.